21.06.07

Deminera

Posted in Izaho ... izaho foana | 05:23

Hi hi hi, mba efa elaela ihany izay nilalaovana deminera zay ... fa zay za vao nahita hoe misy 7 kay amin'ilay izy ... 6 ihany no isa ngeza azoko hatramizay ! Najanona mihitsy aloha ny lalao nakana ScreenShot kely !

 (tohiny)

17.06.07

I Dada Amiko

Posted in Tononkalo | 01:23

 

I Dada amiko ?

Ray mahafoy izay eny ampelan-tanany,
Mikaroka ombieny
Izay mety hahafaly sy hahatafita an-janany ;
Tsy miandry ahy hiteny.

Lehilahy tsy mba mamadika fa azo itokiana !
Fa na ho mafy na ho mora
Dia mitsangana eo anilako, mivimbina hafaliana
Misongona ny ankora.

Mitsangana ho vato, manda fihafenako
Raha arahim-pahavalo ;
Mivonona hanolotra ny sandry hiarenako
Raha lavo sy mimalo.

Ray tena mendrika izay valim-babena,
Sitraka lavareny,
Fisaorana miavosa, fitiavan-tsesehana !
Na dia tsy miteniteny.

Pissoa