21.11.07

Hommage a mon premier finday

Posted in Izaho ... izaho foana | 19:41

SIEMENS A52 ! Tamin'ny 23 Desambra 2004 aho no nividy azy. Izy no findaiko voalohany teo amin'ny fiainako. Mafatifaty ahy ny paoziny, manja kely. Nisy namako roa aza moa nividy mitovy azy koa rehefa nahita azy teny amiko teny. Tsotsotra kely, tsy dia be flirony fa dia finday = telefonina fotsiny mihitsy no nampiasako azy. Tamin'ny tany Dago dia nihomehezan'i zandrinay lahy izy fa "tsy misy games" hono :( Mba misy ihany efa ao na dia roa monja aza (sa moa firy ?!). Ny jirony milay be koa, na dia tsy mahatsilo ny lalako aza rehefa maizina. Tiko be ny mijery azy rehefa mihamaty, hi hi hi. Tiko koa be ny ringtones ao aminy, indrindra ilay mitovitovy feneno amin'ny telefonina fixe ireny. Ireny daholo no ampiasaiko aminy, na sms na appel na reveil !
 (tohiny)

09.11.07

Do I Love Thee?

Posted in Tononkalo | 11:16

Efa kelikely sisa dia ho vita vaky "voalohany" ilay boky teto. Isan'ny tiako be tao anatiny ity tononkalo ity (Page 43 amin'ilay boky).

 (tohiny)