29.02.08

30 Feb ...

Posted in Ankapobeny | 20:31

 

Mba saika hikarokaroka aho androany hoe maninona ary no tsy maitsy nasiana ity 29 Feb ity isaky ny 4 taona. Eny e, efa fantampantatra ihany hoe mba hampifanandrify ny calendrier sy ny fihodinan'ny tany amin'ny masoandro ... Fa na izany aza, angaha moa tsy afaka hoe natao maro kokoa ny leap second, na nasiana minitra betsaka kokoa ny ora ... Dia hanangatra ve ny Babylonians, lol. Mety ho azo atao koa hoe ny famaritana ny segondra no ovaina, halavaina kely izany e - lol.

 

Tsy hoe manana olana amin'ny 29 feb akory aho, na toa mampalahelo ahy ihany aza ireo teraka tamin'io andro io na indraindray koa tsiriritiko (miankina amin'ny mood io, lol) fa mba nisy 29 Feb ihany tamin'ny 1984 …  Fa miampy iray be izao ve ny andro fiasana koa, lol. Tsy aleo ve mba atao hoe  miampy iray ny segondra , lol ...

 

... Mba saika hikarokaroka aho hoa, saingy vao nanomboka ny "fikarohana" (hi hi hi - ohatra ny tsara faneno ery izy izany) dia nahita indray aho hoe hay ve nisy 30 Feb koa e !

 

18.02.08

~ Sambo ~

Posted in Ankapobeny | 20:48

 

Fa natory izany Tompo

Tao an-tsambo niampitana

Nihotakotaka ny onja

Ka ny rivotra tsy tana.

Ka ny mpianatra izay teo

Niantsoantso hoe vonjeo

Fa ho faty izahay

Aiza Ianao, Tompo o ? Haingana.

 

Eto an-tany koa isika

Mahatsiaro ho tena very

Toa matory izany Tompo

Ka namela antsika ho irery.

Onjononjontsika sisa

Mamohy fo, mamisavisa ;

Fa matory ve ny Tompo

Sa aiza Izy no miery ?

 

Tsy matory anie ny Tompo

Sanatria tsy manadino

Mbola ho avy ny fotoana

Hamonjena antsika mino.

Tsy hisy loza tsy hisy atambo

Afa-mandrendrika ny sambo

Fa ny Tompo tia antsika

Miara-miondrana amintsika.

 

Ankalazao ny Tompo

 

Nanesy ny hira tao amin'ny Dera izaho sy ilay ranamana iray omaly. Tadidiko indray ity hira tiako be ity ... sy ny takariva eo amorom-patana any Dago. Mohaka ny vary ry Sazikely e, hi hi.