21.07.09

Efa tony

Posted in Tononkalo | 09:39

 

 

Efa tony izao ny fo, efa mitraka koa ny saina ;

Hafa ilay izaho omaly.

Efa nitsahatra ihany koa ny toloko sy taraina,

Ka sahy mitsiky, sahy mifaly.

 

Efa hafa izao ny gadona rehefa injay fa mitantara

Ilay ianao, ilay isika.

Efa hafa ny fijadona manoloana ny anjomara

Mpitanisa ny tomika.

 

Tsy sanatria tsy mahatsiaro, tsy manembona intsony ;

Tsy niezaka aho ny hanadino.

Fa ny tsiaro anao ry Neny no manesika ahy hitony

... Ianao nivavaka sy nino.

 

Joyeux 21 Juillet ho an'ny Fianankaviana ;)