16.01.10
Lahatsoratra N 1/2010
Arahabaina tonga soa aty amin'ny 2010 e :)
Aleo mitoraka blao eto fa efa impiry aho izay no mivezivezy amin'ny cyber fa tsy mbola tonga ihany ny mailaka andrasako !
Na izany na tsy izany aza
- Teny Andohalo tamin'ny fandevenana an'i Mrg Razafindratandra aho omaly. Na dia 'fandevenana' aza no natrehiko dia tena ... hafa ihany hoa aty Madagasikara hi hi. Ny ooops dia be loatra ny olona, dia be loatra ny elo ! Raha natao hiarovan-tena amin'ny orana izy ireny, dia nivadika mpanangona ranon'orana hatondraka eo antampon-dohako omaly.
- Araraotiko mihitsy amin'izao fialan-tsasatra izao (ie, mbola anaty fialan-tsasatra tanteraka aho na dia efa mi-zanvier aza izao) hanampiana ny boky tononkalo ao amin'ny tahiriko. Resin'ny bokin'ny mpanoratra Malagasy amin'izay ny an'ireo mpanoratra vahiny satria efa nahazo :
- Traduit de la nuit (J. J. Rabearivelo)
- Vonikazo adaladala, Dinitra, Sedra (Rado)
- 'Hadinoko ny lohateny' (Samuel Ratany) - Misy tononkalo sy tsy tononkalo ;)
Yeap ! Mbola maro ihany ny boky heveriko hovidiana ato ho ato. (Amin'ny manaraka ny sary ... sy ny tonnonkalo favori :-P)
Aleo indray aloha hicheck mail kely ! Mazotoa daholo dia mirary ny soa hiraradraraka avy aminareo (ooops, amintsika) amin'ity taona 2010 ity eeee :-P




