16.12.09

Toratoraka alohan'ny farany

Posted in Ankapobeny | 15:15

Oouf ! Efa natahotra mihitsy aho hoe tsy hahatoraka blaogy intsony amin'ity taona ity. Toa ho vita ihany kay izy ity.

 

Aleo mirary soa anareo rehetra dieny ety am-panombohany. Manaova fety milay daholo, na amin'ny Krismasy na amin'ny taona voavao. Fahombiazana hatrany no irariana ho an'ny tsirairay arakaraka ny lafiny tiany hivoarana avy.

 

Aleo iny atao aloha fa sao dia tsy vita eo, sao kamo be tampoka dia tonga dia atao ilay hoe "Alefaso!" etsy ambany hi hi.

 

Cours atrehina : Adiny 4. Feuilles tsaraina : 29 X 3. Misc : Maromaro ihany. Ireo sisa dia tonga ny fialan-tsasatra ho ahy. Yaayyy. Hatraizay noheveriko foana fa ny mijanona ao amin'ny tontolo akademika no milay indrindra rehefa miasa. Mba indraindray ihany no manenjika ora ohatra ! Ny fialan-tsasatra misy matetika ! Ny olona hiresahana mba miovaova, farafahakeliny in-1 isan-taona lol ! Ny fotoana hijanonana an-trano maromaro ihany, afaka manao sushi indraindray, nefa tsy dia mila manenjikenjika be loatra. Pffff, lainga be (Vakio hoe : Diso hevitra kay aho.)

 

Iny aza fa mitaky ny hakamoana lol. Rehefa mazotoa tohizako.

11.11.09

Poeta Webs

Posted in Tononkalo | 13:52


 
Ny poeta raha miteny
Dia milaza izay mba reny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
 
Ankoatra ireo tranokala mety efa mahazatra anao, dia tafajoro ny tranonkala "POETA MALAGASY" entina mampifandray ny poeta sy ireo mpakafy ny poezia malagasy. Ny varavarana dia mivoha ho anao ao amin'ny adiresy http://poeta.webs.com/1.html.

 
Hibahana ao, mazava loatra, ireo takelaky ny tononkalo notsongaina. Tsy ho mosarena vaovao ireo mpitsidika satria hahafantatra ireo fampisehoana an-tsehatra mitranga. Tsy ho diso anjara ny filazana ny mombamomba ny fikambanan'ny poeta. Ary inoana fa hahaliana anao tokoa ny "tapatapak'ahitra" ifanaovana amin'ny poeta malagasy. Efa nandalo tao ohatra i Fredy Jaofera, Ny Eja, DadaRabe, Pissoa, Thina Andriafaly, Tahirintsoa, Zo-Maminirina, Manatsiala, Niravo, Malalason, Hajaina. Samy manana ny lalana nodiaviny avy ireo poeta ireo ary tena mahaliana tokoa ny resadresaka nifanaovana tao. Samy efa nametraka tononkalo tao koa izy ireo izay natevenin'i Toetra Raja sy Rô Andriamaneva. Manetsa be mbola ho avy satria mbola hasaina hitapatapak'ahitra ao koa ny antokon'olona samihafa izay tsy voatery ho poeta ihany. Tokana ny marimaritra iraisana : fitiavana ny poezia sy ny haisoratra malagasy.
 
Raisina an-tanan-droa ireo mikasa hitapatapak'ahitra, hizara tononkalo, hanambara vaovaon-tsehatra sy samihafa, hampiely lahatsoratra. "Ataovy toy ny landy re ka an-trano vao manatevina", ka amin'izay isika mba ho sahy hanambara fa "ny be no avy, ny kely mialoha lalana".
 
 
 … niakatra ny jiro ?
piho dia matoria,
ny lambanao idiro …
Ny adin-tsaina avela ho lafi-parafara.
 
(Mpanoratra : Tsy i Pissoa)
«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 ... 28 29 30  Manaraka»