Klotski - Ithaca
Misy mpankafy na milalao Klotski ve ianareo ? Hosimbaiko kely ny «fankafizana» azy mantsy lol.
Ankoatra ny deminera, karazana solitera ary sudoku izay efa nolazaiko tany ambadika tany dia isan'ny mandany ny androko/alina koa ny Klotski ! Azavain'i Wikipedia tsara eto ny momba ny lalao.
Mba nojerijereko ny lalao mbola tsy vita tao ... handrakandramana e lol ! Fa vao nahita ilay Ithaca aho dia nanontany tena hoe mba possible ary ve io – lol. Nitaditady tamin'ny internet aho raha efa nisy nametraka solution amin'io puzzle iray io fa toa tsy mbola !
Ito amin'izay ilay hanimba ny fankafizan'izay milalao Klotski : eto misy valiny sasantsasany amin'ny puzzles lol. Hitako tamin'ilay nitaditady an'i Ithaca teo io. Aza vonoina aho eeeeeee.
