04.11.09
Posted in
Tononkalo
| 20:43
Tononkalo ... efa ela (angamba ... tamin'ny 2008) izy ity no nosoratako saingy notahiriziko ho ahy irery. Asa angaha nahoana ?! Lozanao ry peniko hi hi hi. (Oops, mampihomehy angaha moa izany ? Hi hi hi)
Any i Madagasikarako
Efa taona firifiry no noezahina naranty
Taminao ny adim-poko sy karazana ady an-trano ?
Efa taona firifiry ny zanakao mifampihantsy ?
Fa tsy mbola vaky ny ady, mbola tsy hitany ny "angano".
Efa taona firifiry no nijoro ireo mpandrangitra
Na mpitondra, na mpanohitra, indreo fa samy lohalaharana ;
Efa taona firifiry no nifampidera hanitra
Fa tsy mbola vaky ny ady, mbola ao ireo "mpampihavana".
Efa taona firifiry, nanako ilay lakolosy
Tena nampalaza anao, ny fitandroana fihavanana !
Ka nahoana no amin'izao no hisy sahy hanosihosy
Irony soatoavina sy ny hasinao ry Tanindrazana ?
Mihetseha ianao ry fireneko, avondrony ny herinao
F'aza avelanao hahomby ny tati-dratsy mpampisaraka
Mitsangana, masahia, manohera dieny izao !
Sao ho tratra aorina loatra ka ra no sisa hipatrapatraka.
Pissoa
Rohy maharitra
03.11.09
Posted in
Ankapobeny
| 18:26
Hmmm, te hiblaogy be aho izany. Te hanoratra.
Recap of my last x months.
- Nisy fotoana tena nankaloiloy be ahy daholo ny tononkalo novakiako. Na ireo tononkalo nomeko "isa 5" sy famerimberiko vakiana aza satria tena nankafiziko tokoa. Tsy haiko ny antony. Ny hany haiko dia efa nisinda iny fotoana ratsy iny, ary miverina indray ny famakiana tononkalo isanandro. Yaaayyyy.
- Nanao Ramadan aho tamin'ity taona ity. (Valin'io fanontaniana mihalohalo ao an-dohanao io sahady : Tsia ka, tsy Silamo aho, ary tsy mbola nieritreritra ny ho Silamo.) Tiako ho fantatra fotsiny hoe ahoana izany tsy misakafo mandritra ny andro. Ilay amin'ny hariva iny ihany aho no misakafo fa kamo be hifoha amin'ny dimy maraina hi hi. Mbola tanora ihany hay aho ity. Mbola nandresy olona tamin'ny Ping aho amin'ny andro amin'ny 5 sy sasany hariva tamin'ny Ramadan. (Mba mahay Ping ve aloha ilay olona resiko e ? Hmmm)
- Non, je ne suis jamais seule avec ma solitude. Isan'ny hira tiako indrindra vaovao ilay "Ma Solitude" an'i Georges Moustaki.
- Nandeha nijery Star Treck sy Ice Age aho dia bon ... Miracle mon ami, tsy dia tena nahasosotra ahy ilay izy.
- Oh yeah ...Mahay manamboatra sushi aho izao. Dia lemon cake. Mba misy inspiraka rehefa mahandro sakafo.
- Mampihomehy be ahy foana ny manodidina ahy rehefa miresaka Politika lol. Na samy mitovy hevitra daholo dia toy ny samy manao ilay Amen, Aleloia ampianarin'i Simp atsy ambadika fotsiny. Na tsy mitovy hevitra dia samy be tabataba fotsiny fa toa tsy mifampihaino akory. Hifampihaino hanao inona koa nefa moa e ?
- Aaarrrghh. Efa lasa 25 taona indray aho izao. (Yawning) !!!
- Nanao hiking im-betsaka tsara. (Tsy eo amin'ny sary aho ---)
- Par elle j'ai autant appris que j'ai verse des larmes.
- Nivoaka ilay Crazy Love an'i Michael Buble. Somary diso fanantenana ihany aho tamin'ilay izy ... fa misy hira (Hmmm, maro/13) tiako be koa tao mazava ho azy.
- Fizika,Fizika, Fizika.
- Nilomano im-betsaka na dia tsy nahay aza lol. Dofa.
- Narary vavony aho tamin'ny telovolana voalohan'ity taona ity. Izany angamba no vokatry ny fitiavana labiera be loatra (Ontso !!!). Fa efa sitrana izao :-P
Hmmm vitaaaaa hi hi. Ankoatra izay hadino.
Rohy maharitra