Mba saika hikarokaroka aho androany hoe maninona ary no tsy maitsy nasiana
ity 29 Feb ity isaky ny 4 taona. Eny e, efa fantampantatra ihany hoe mba
hampifanandrify ny calendrier sy ny fihodinan'ny tany amin'ny masoandro ... Fa
na izany aza, angaha moa tsy afaka hoe natao maro kokoa ny leap second, na nasiana minitra betsaka kokoa ny ora ... Dia hanangatra ve ny
Babylonians, lol. Mety ho azo atao koa hoe ny famaritana ny segondra no
ovaina, halavaina kely izany e - lol.
Tsy hoe manana olana amin'ny 29 feb akory aho, na toa mampalahelo ahy ihany
aza ireo teraka tamin'io andro io na indraindray koa tsiriritiko (miankina
amin'ny mood io, lol) fa mba nisy 29 Feb ihany tamin'ny 1984 … Fa miampy iray be izao ve ny andro fiasana koa, lol. Tsy aleo ve mba atao hoe miampy iray ny segondra , lol ...
... Mba saika hikarokaroka aho hoa, saingy vao nanomboka ny
"fikarohana" (hi hi hi - ohatra ny tsara faneno ery izy izany) dia
nahita indray aho hoe hay ve nisy 30 Feb koa e !