Cyberfety ... efa tapitra e :-P

06/20,2008 | Ankapobeny

[21 Jiona  2008 - Hariva]

 

Misaotra antsika isika e !

 

  • Misaotra ny niandohan'ny lalao !
  • Misaotra ny rehetra nandray anjara tamin'ny lalao !
  • Misaotra ny namaky ny lahatsoratra rehetra nataon'ny namana nandritra ny lalao ! (Jereo eto ny lahatsoratra nataoko ... Jejo aho e ? hi hi).
  • Misaotra ireo nikarakara ny cyberfety ... (misaotra manokana an'i RVG sy Botlives01 lol, nice to finally meet you guyz ha ha ha)
  • Misaotra ireo tonga tamin'ny cyberfety !

 

Misaotra antsika isika e ;-)

 

Tatitra nataon'ny namana hafa : Lapino, Simplex, Ikalamako, Foko Blog Club ary Jogany ! (Random ny filaharany fa tsy hoe arakara-jokiny a hi hi hi)

 (tohiny)


"Ny tananao zary aponga"

06/17,2008 | Ankapobeny

(Tsy maninona ve raha nindramiko nataoko lohanteny io andalana avy amin'ny hiran'i Ndondolah sy Tahiry io ?)

 

Hitako teny an-dalana indray ity olona ity androany ... fa tsy ilay androany no hotantaraiko anao fa ilay indray mandeha izay.

 

 

 (tohiny)


Aza Ampijaliana ny Tenintsika

04/15,2008 | Ankapobeny

Raha toa moa ka ... asiana "fizahan-takelaka" izy ity (he he - mangidihidy izay ny tanan'i DotMg hi hi)

  1. Hevitra voalohany [28 - 03 - 2008]
  2. Teny tsy marina [30 - 03 - 2008]
  3. "i" sy "ny" [05 - 04 - 2008]
  4. Tia - Te - Ta [08 - 04 - 2008]
  5. Famakiana ny "ka" [14 - 04 - 2008]

 (tohiny)


Misc ... [edited]

04/11,2008 | Ankapobeny


 

11 - 04 - 2008

Lol ! Misc hafa koa ity ! Mijery statistika ato amin'ny blaogiko aho.  Misenina mihitsy ... Ireo ambany ireo ny lisitry ny fikarohana "karoka" nisy nanao tao amin'ny google ka nitontonany teto amin'ny Pissoa - the Malagasy (ny tamin'ity volana ity izany a) :

 (tohiny)


Klotski - Ithaca

03/27,2008 | Ankapobeny

Misy mpankafy na milalao Klotski ve ianareo ? Hosimbaiko kely ny «fankafizana» azy mantsy lol.

Ankoatra ny deminera, karazana solitera ary sudoku izay efa nolazaiko tany ambadika tany dia isan'ny mandany ny androko/alina koa ny Klotski ! Azavain'i Wikipedia tsara eto ny momba ny lalao.

Mba nojerijereko ny lalao mbola tsy vita tao ... handrakandramana e lol ! Fa vao nahita ilay Ithaca aho dia nanontany tena hoe mba possible ary ve io – lol. Nitaditady tamin'ny internet aho raha efa nisy nametraka solution amin'io puzzle iray io fa toa tsy mbola !

Ito amin'izay ilay hanimba ny fankafizan'izay milalao Klotski : eto misy valiny sasantsasany amin'ny puzzles lol. Hitako tamin'ilay nitaditady an'i Ithaca teo io. Aza vonoina aho eeeeeee.