11.11.09
Posted in
Tononkalo
| 13:52
Ny poeta raha miteny
Dia milaza izay mba reny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Ankoatra ireo tranokala mety efa mahazatra anao, dia tafajoro ny tranonkala "POETA MALAGASY" entina mampifandray ny poeta sy
ireo mpakafy ny poezia malagasy. Ny varavarana dia mivoha ho anao ao
amin'ny adiresy
http://poeta.webs.com/1.html.
Hibahana ao, mazava loatra, ireo takelaky ny tononkalo
notsongaina. Tsy ho mosarena vaovao ireo mpitsidika satria hahafantatra
ireo fampisehoana an-tsehatra mitranga. Tsy ho diso anjara ny filazana
ny mombamomba ny fikambanan'ny poeta. Ary inoana fa hahaliana anao
tokoa ny "tapatapak'ahitra" ifanaovana amin'ny poeta malagasy. Efa
nandalo tao ohatra i Fredy Jaofera, Ny Eja, DadaRabe, Pissoa, Thina
Andriafaly, Tahirintsoa, Zo-Maminirina, Manatsiala, Niravo, Malalason,
Hajaina. Samy manana ny lalana nodiaviny avy ireo poeta ireo ary tena
mahaliana tokoa ny resadresaka nifanaovana tao. Samy efa nametraka
tononkalo tao koa izy ireo izay natevenin'i Toetra Raja sy Rô
Andriamaneva. Manetsa be mbola ho avy satria mbola hasaina
hitapatapak'ahitra ao koa ny antokon'olona samihafa izay tsy voatery ho
poeta ihany. Tokana ny marimaritra iraisana : fitiavana ny poezia sy ny
haisoratra malagasy.
Raisina an-tanan-droa ireo mikasa
hitapatapak'ahitra, hizara tononkalo, hanambara vaovaon-tsehatra sy
samihafa, hampiely lahatsoratra. "Ataovy toy ny landy re ka an-trano
vao manatevina", ka amin'izay isika mba ho sahy hanambara fa "ny be no
avy, ny kely mialoha lalana".
… niakatra ny jiro ?
piho dia matoria,
ny lambanao idiro …
Ny adin-tsaina avela ho lafi-parafara.
(Mpanoratra : Tsy i Pissoa)
Rohy maharitra
04.11.09
Posted in
Tononkalo
| 20:43
Tononkalo ... efa ela (angamba ... tamin'ny 2008) izy ity no nosoratako saingy notahiriziko ho ahy irery. Asa angaha nahoana ?! Lozanao ry peniko hi hi hi. (Oops, mampihomehy angaha moa izany ? Hi hi hi)
Any i Madagasikarako
Efa taona firifiry no noezahina naranty
Taminao ny adim-poko sy karazana ady an-trano ?
Efa taona firifiry ny zanakao mifampihantsy ?
Fa tsy mbola vaky ny ady, mbola tsy hitany ny "angano".
Efa taona firifiry no nijoro ireo mpandrangitra
Na mpitondra, na mpanohitra, indreo fa samy lohalaharana ;
Efa taona firifiry no nifampidera hanitra
Fa tsy mbola vaky ny ady, mbola ao ireo "mpampihavana".
Efa taona firifiry, nanako ilay lakolosy
Tena nampalaza anao, ny fitandroana fihavanana !
Ka nahoana no amin'izao no hisy sahy hanosihosy
Irony soatoavina sy ny hasinao ry Tanindrazana ?
Mihetseha ianao ry fireneko, avondrony ny herinao
F'aza avelanao hahomby ny tati-dratsy mpampisaraka
Mitsangana, masahia, manohera dieny izao !
Sao ho tratra aorina loatra ka ra no sisa hipatrapatraka.
Pissoa
Rohy maharitra