Aza Avela

10/12,2007 | Tononkalo


Ray o !
Misy zanakao izay any
Miandrandra ny maraina
Fa sakambinin'ny tomany,
Nenina sy adin-tsaina.
Koa esory anaty nofiko
Ny nanimbany ilay fitiavana
Ka hanasitrana ny rofiko
Ny faniriany te hihavana.

Ray o !
Aza avela hanary toky
Na dia atopatopan'onja
Aza avela ho kamboty
Ilay fitiavanay nafonja
 (tohiny)


Mitady Anao

09/26,2007 | Tononkalo

Mitady Anao 

Nodinihiko akaiky : "efa nirindrina ny fasana !"
Izay no tena nahatsapako fa lasa ianao, tena lasana
Dia nahodiko ny lohako ... "Efa nirava koa ny olona !"
Ka ny alahelo anao no sisa nisavika ahy, nitambolona.
 (tohiny)


Toetra Raja

09/15,2007 | Tononkalo

Efa mandeha eto amin'ny aterineto ny takelaka manokana an'i Toetra Raja : Jereo eto !

Toetra Raja ... poeta malagasy isan'ny tena ankafiziko ny fomba fanorany. Mampiasa teny fohy isan'andàlana. Teto amin'ny tontolon'ny serasera.org ihany no nahafantarako azy voalohany tamin'ny taona 2004. Manasa antsika hamangy ny tranokalany ka hahafantatra azy sy ny asa-sorany. Efa maro ihany koa ny tononkalony ao amin'ny Vetso Tononkalo Serasera : Jereo eto.

Mirary fahazotoana sy fahombiazana hatrany ho an'i Toetra Raja.

 (tohiny)


Ry Volana

08/09,2007 | Tononkalo

Ry Volana

 (tohiny)


I Dada Amiko

06/17,2007 | Tononkalo

 

I Dada amiko ?

Ray mahafoy izay eny ampelan-tanany,
Mikaroka ombieny
Izay mety hahafaly sy hahatafita an-janany ;
Tsy miandry ahy hiteny.

Lehilahy tsy mba mamadika fa azo itokiana !
Fa na ho mafy na ho mora
Dia mitsangana eo anilako, mivimbina hafaliana
Misongona ny ankora.

Mitsangana ho vato, manda fihafenako
Raha arahim-pahavalo ;
Mivonona hanolotra ny sandry hiarenako
Raha lavo sy mimalo.

Ray tena mendrika izay valim-babena,
Sitraka lavareny,
Fisaorana miavosa, fitiavan-tsesehana !
Na dia tsy miteniteny.

Pissoa

 


«Mialoha   1 2 3 4 5 6  Manaraka»