« Mialoha | Manaraka»

17.06.06

Fitia Nivakinina

Posted in Mampihomehy & Tononkalo | 02:55


Fitia Nivakinina

Fitiavako anao, fitia nivakinina,
Mangidy manasitrana ny ratrako ririnina,
Hila tsy ho telina kanefa manome
Ilay tena fiadanana sy fifaliam-be !

Fitiavako anao, fitia voamadilo,
Tsy afaka ao am-bavako, tsy mety lany tsiro,
Jereko toa tsy ampy, kanefa toa tsy lany...
Raha vao midify ianao dia io aho fa mitady.

Fitiavako anao, fitia pilokely,
Manaikitra kanefa tsy foiko velively,
Tena ankafiziko na mampipenimpenina,
Fitiavako anao, fitia tsy misy nenina.

-- DadaRabe

8 Hevitra | "Fitia Nivakinina" »

  1. Tokinao :

    17/06/2006, at 10:30 [ Valio ]

    Mhay manoratra kosa i Dadabe 'ko. Ho an'i nenibe zany izy io an!

  2. lapino :

    17/06/2006, at 16:58 [ Valio ]

    Mba mahita tsiro koa ange DadaRabe izany e! Nivaquine, voamadilo, pilokely! ... Tsy mba nisy hoe: Fitiavako anao, fitia mofo gasy :-)

    Fa ny ngidin'ny fitiavana ve hoà voan-quinine foana sa tsy mety ho zavatra hahafaty koa?

  3. pissoa :

    18/06/2006, at 04:11 [ Valio ]

    Tokinao, DadaRabe fa tsy Dadabe ka. Hihihi, mety hoe ho an'i NeniRasoa izany, lol!

    lapino, ka ny mofo gasy matsiro be foana kou (raha tsy hoe efa simba) ... tsy mitovy amin'ilay tsiro noresahin'i DadaRabe.

    Hihihi, tsy haiko koa ka ... fa tianao hoe "tangena" ngah?

  4. lapino :

    20/06/2006, at 05:25 [ Valio ]

    Ka ny loza ange ilay hoe efa nisotro ny mangidy, dia nanantena voan-quinine teo kanjo nihinankinam-poana e! Enga anie mba tsy ho izay ny an'i DadaRabe ;)

  5. pissoa :

    20/06/2006, at 09:30 [ Valio ]

    Hihihi

  6. Mifenty :

    21/07/2006, at 10:22 [ Valio ]

    efa ela marina tsy nahita an'i dadarabe tatsy andrefana le

    nisy fotoana mba nifanala azy tao zay d tsita tsoun ngairainy

  7. DadaRabe :

    26/11/2006, at 22:52 [ Valio ]

    ALAIKO AN’ERITRERITRA !

    Alaiko an’eritreritra ‘lay endrikao sariaka,
    Mazava, manjopiaka;
    Ny masonao mirehitra fitia, fanantenana,
    Mpitondra hafanana !

    Alaiko an’eritreritra ny molotrao miteny,
    Ny tsikinao ombieny;
    Fa toy ny loharano izay mikoriana ireny,
    Mitohoka tantely !

    Alaiko an’eritreritra ny fonao dobodoboka,
    Ny vatanao mangovitra;
    Rehefa ianao mifaly sy feno faniriana...
    Akaikin’olon-tiana.

    Alaiko an’eritreritra izay mombamomba anao
    Sy ny tontolonao;
    Ny aminao rehetra na mihiratra na merika...
    ...Alaiko an’eritreritra !

    DadaRabe

  8. pissoa :

    08/12/2006, at 22:55 [ Valio ]

    Tsy ho feno ve ny eritreritra amizao ? Hihihi

    Tsara ny tononkalo :) Mankasitraka namela azy eto amin'ny blaogy