Ry Volana

Published on 08/09,2007

Ry Volana

Ry Volanay nazava,

Dia resy lahy ianao ...

Resy anaty haizina ho mandrakizay ;

Haizina tsy hisava

Fa na inona atao,

Ianao efa an`ny fasana fa tsy natao ho anay !

 

Ry Volana fenomanana,

Efa ny tantaranao

No sisa hitamberina anaty resak'olona !

Misy koa ny havanana,

Manitatra tsotra izao

Ka tsy ianao fa "sary" no tena voatonona. 

 

Ry Volanay tomaratra,

Indrisy ny aloky ny fasana

No indro misalovana ilay taratrao mavany !

Izay ampahan-taratra

Sisa mba tsy lasana

Tsy laitra fa mivimbina sento sy tomany.

 

Ry Volana nibaliaka

Izany rehetra izany

No ezahinay hafenina amin'izay rehetra atao

Fa endrika sariaka

Sy tsikitsiky hatrany

No tianay hisedrana ity tany tsisy anao.

 

Ry Volanay nidify ...

 

Pissoa

30 Jolay 2007 


Hevitra

  1. 08/09,2007 | 11:18

    mahereza pissoa !

  2. 08/09,2007 | 12:29

    No matter how far u go, no matter what u do, "ry volana " is proud of u and will always be on your side.

    Raha mbola misy tsiky
    Azonao asedra ny ronjon'ny ankaso
    Nahoana indrindra iky
    No dia laniana foana ny vongan-draromaso

    c ya,

  3. 08/09,2007 | 20:27

    Tohizo Pissoa à! mahafinaritra !

  4. 08/11,2007 | 18:20

    Tsara be ilay tononkalo
    Tsy haiko hoe ahoana no mety ho fifandraisan'ny fanahy aloha, fa raha izao ve tsy ho tafita any amin'ilay volana ny hafatra ?
    Mahereza e :-)

  5. 08/17,2007 | 19:34

    Tsara be!
    Mahereza!
    "Tsy misy ririnina mandava taona,
    ary tsy misy avandra hijanon-ko vato"

  6. 09/01,2007 | 21:06

    Misaotra anareo rehetra !

    Pissoa

  7. 09/18,2007 | 17:53

    Sambany mametraka truc @ blaogin'i Pissoa (mitazatazana fotsiny hatrizay hihihihi). Tsara ilay tononkalo eeeeeeee.
    Zay ihany kah hihihihi.

  8. 12/11,2007 | 13:16

    ngah mou ki de tena maloka tokoa ny androndry rehefa tsy teo intsony ny voalanantsika "NENY" io fa toa tena lasa amibiroa be ange indry zany e!!!
    zao no aza adino volana foana izy any aminy any ary mitsilo antsika ety
    sad mampalaelo kou ange ki ifaliana kely fa izy irery ny any e!!!

  9. 12/11,2007 | 17:49

    hi hi - marina ny tenin-dry.

    mihomehy aho mieritreritra an'ilay hoe : ozizy zao ifaliana hoe aty ny lalana bebe a, ha ha ha.

  10. 12/11,2007 | 17:50

    booboo : hi hi hi - hay njy le mpanao tsidi-pahitra eto zany. Misaotra indrindra e.

    Pissoa

  11. 07/22,2008 | 13:35

    androany vao azoko ity tononkalo ity.
    Mirary mba ho feno hamamiana ny fiainana ho avy sy ny lahatsoratra ho avy.

Leave a Reply

Hampiditra hevitra









 authimage