15.09.07
Toetra Raja
Efa mandeha eto amin'ny aterineto ny takelaka manokana an'i Toetra Raja : Jereo eto !
Toetra Raja ... poeta malagasy isan'ny tena ankafiziko ny fomba fanorany. Mampiasa teny fohy isan'andàlana. Teto amin'ny tontolon'ny serasera.org ihany no nahafantarako azy voalohany tamin'ny taona 2004. Manasa antsika hamangy ny tranokalany ka hahafantatra azy sy ny asa-sorany. Efa maro ihany koa ny tononkalony ao amin'ny Vetso Tononkalo Serasera : Jereo eto.
Mirary fahazotoana sy fahombiazana hatrany ho an'i Toetra Raja.
Tononkalo
Avokoa
Izay miaina
Sy mamoa.
Ny androntsika
Eto an-tany,
Ny hatsiaka
Androany,
Ireo malaza
An-gazety,
Vazavaza
Sy ny fety,
Fo maloton-
Jiolahy,
Mirotoroto
Mampanahy.
Ny mariazy
Asabotsy ?
Toa vazivazy
Fa etsy Anosy
Ny tantara
Indraindray
No miafara
... Oadray !
Tantaraiko
Anao ireny ;
Antenaiko
Fa tsy teny
Re mandalo
Mampanoaka,
Fa ho kalo
Mahafaoka
Izay misy
Rehetra rehetra.
Nefa indrisy
Voafetra
Re ny saiko
Hamolavola,
Ny tsy haiko
Mahatola !
Tsy hifezaka,
Aho rey olona
Hiezaka
Hitolona.
Hanambara
Teny soa :
Rima tsara
Amin'ny fo !
Andinin-teny
Maty paika
Fa tsy ireny
Maikamaika.
Zava-kanton'
Ireo fara :
Tsangambaton'
Ny tantara.
Fa Poeta
No miteny,
Ny talenta
Mbola ireny,
Tsy mba maty
Tsy miala
Any anaty
"Tranonkala".
Toetra RAJA
19 jolay 2004




