Joburg rehefa avy orana : Ho ela velona anie Isotry !!!
Efa voalazan’ny lohanteny daholo angamba ny tiana ambara.
1 - Ny taksibe
Raha mandeha any amin’ny taxi rank dia … Hooray ! filaharana laaaaaava be, saingy taksibe vitsy kely. Tsy haiko na firy metatra ny halavan’iny filaharana iny fa misy miodina in-3 le izy. Ohatr’izao izany : jereo eto (ha ha ha – azafady ho an’izay matahotra lol). Fa mba tsy misisika aloha e. Efa hoe milahatra koa inona ary !
Raha tsy mandeha taxi rank indray fa ilay miandry eny an-dalana ireny dia eeeeelaaaa be vao misy (ilay ilaiko izany, fa ilay tsy ilaiko booobaka be).
Ny tena olana (na tsy avy aza ny orana), rehefa mbola vahiny amin’ny fitanteram-bahoaka – dia MISY mandainga ry takaka (ho ho ho). Raha anontaniana izy hoe mandeha any Antanimena ve, dia ie ozizy. Rehefa ao anaty fiara ianao vao gaga fa hay tsy mankany akory. Tsy mba misy soratra tahaka ny antsika mantsy ny “taksibe” aty, tsy misy laharana koa (hoe 194 sns). Baiko atao amin’ny tanana no mandeha aty rehefa manakana taskibe ! Izany hoe raha eny amin’ny Ampasapito no miandry takisbe ka te handeha any Antanimena dia atao ohatran’izao ny tanana. Raha eny Ankatso indray no miandry taxibe ho any Antanimena dia ohatran’izao no atao. Hi hi.
Fanamarihana lehibe : tsisy ankanoso-potaka a ! Amin’ny ankapobeny dia tena mandray olona ny sud-af, ary manoro hoe aza mandeha ary na atsy – Aza manao an’izao sy izao (resaka fandriam-pahalemana) … Izay no mahatonga ilay hoe MISY natao sora-baventy sady matevina etsy ambony.
2 - Mitohana Fifamoivoizana
Na dia be dia be aza ny olona milahatra any amin’ny taxi rank sy miandry taksibe eny andalana, dia mbola betsaka ihany ny fiara (pffff) ary mitohana ho azy ny fifamoivoizana. Ny vahaolana hitan’ny mpitondra taksibe amin’io matetika dia mandeha any anelakela trano. Miala izay lalana be mpandeha izany. Ny sasany manontany ihany, fa ny SASANY tsy manontany ny mpandeha akory hoe sao misy miala any amin’ny tatezana fa tonga dia miova lalana fotsiny. Raha tsy nahazo ahy io androany dia tsy nanao rainingenona teto amin'ny blaogy za (hi hi hi)
Fanamarihana lehibe : sady vaventy no matevina ilay hoe ny sasany :-P
3 - Erikerika mahatondra-drano
Mbola tsy orana akory, fa raha vao avy ny erika dia efa misy toerana mila tsy ho azo aleha. Feno rano ny arabe sy ny tsy arabe. Raha rano madio moa koa … (mety nosotroiko ihany, lol) fa rano mainty beeeeee. Rehefa fahavaratra ny andro vao tena tiko le pataloha fotsifotsiko fa amin’izay izy mba lasa mainty (na ny moron-tongony fotsiny aza).
Fanamarihana lehibe : tsisy ankanoso-potaka maimai-poana ! Misy toerana mahafinaritra betsaka aty ka.
a chi o dici, hoy ny italiana ry Pissoa a! izaho zao maraina io dia dia sahirana mihitsy satria tsy vitan'ny misy rano ny arabe fa atao tsianjery ny lavaka sao mi-jabaka!
Ny tena loza dia indraindray ianao mahita kesika voatabia na seza plasitika eny amin'ny route digy1 kay moa digibe avy ny lalana aty! Asa angamba mba hanenana ny fako dia aleo atsipy eny amin'ny arabe!
Ny ahy ny Robe fotsiko aloha rehefa fahavaratra dia tsy anaovako mandeha an-tongotra e! miala tsiny amin'ny jirama sy ny mpivarotra savony!
Aleo kosa aloha avy-orana toy izay main-tany e :-)
...Aleo koa misy taxi be toy izay tsisy. (hihihi)
Ity halafosan'ny vidin-dasantsy ity koa no tena loza kouh..
hihihi aona le paozin'ilay tànana e raha andeha bus oany kou zao de aona no atao? lol
anjekaky ô za nieritreritra oe impek zany andafy zany hihihi kay samy manana besarety s isotry zany sika e
za manko de leo mitsy fa za de st maintsy mandalo tongotra eo refa mody avy miasa!!!
akaro sy jipo de aforeto ny pataloa de ndao ho any atanimbary e
aza kivy ee
mbola aiza zany rehefa misy fotaka izy ;-)
Eo aloha mba asio commentaires kely ilay aliens tany Joburg e! Jereo eto :-P
ps: ny 194 aza tsy mandalo Tsarahonenana ko :-P
Raha izao fitantaran'i Pissoa azy izao dia mety handeha ho any mihitsy angamba hijery !
Andraso aloha raisina ny anaran'ilay tanàna.
Ho avy é!
DdRb
Harilova : hi hi - aza mampime. Ny ahy aloha ny robe fotsy na dia tsy avy aza ny orana dia tsy dia anaovako e, lol.
Lehilahytsiresy : hi hi - marina !
Sazykely : TIA ( = This is Africa) retsy ah. Raha ho aty njy dia mandeha lakana, manao otran-dry lekoma ! hi h ihi
Simp : hi hi hi - mividy an'le kiraron'i sefo refa fotaka !
Lap : Za leisy tsy mahazo mijery daily aty ampiasana a. za nge zao efa bosista e :-P
PS : Efa hoe ho any Antanimena hoe io fa tsy ho any Tsarahonenana koa :-P
DadaRabe : Hijery rano maloto ve ? Sa hijery ilay tsara tsy nolazaiko. Tongava soa e !
Tsy blem ilay daily fa ilay motion fotsiny jerena e :-)
ps: Nandainga zany ilay resevera ko inona fa tsy dia miala Ampandrianomby ? :-D
hi hi - ka le motion koa tsy azo jerena.
PS: Efa miteny aho fa misy mandainga hoa ry zalah. Tsy ny tsy mandray taksi be ve no malaky noho ny miala Ampandrianomby e :-P
raha manofy cobra za raalina dia indry :(
dia alefany aiza akia ny tanana rehefa hoe ho any antanimena sns!hihihi tsy hitako ilay atorondry kanoa.
Aty @ misy ahy retsy tena misy tonabil mila ho difotry ny rano! ohatry ny eny ampefiloha no fetra. Ny fotaka koa misy fa tsy mitovy @any amintsika aloha e!
fa ny tena mandreraka aty ilay orana mitsitapitapy kay nefa enao avy eo kotsa be!:(
enga anie mba tsy nanofy ndry ry maintikely, hi hi.
kaloo fa hitady amin'ny net za raha misy paozy ilay tanana dia ataoko eto ihany.
hi hi - tsy mitondra pasipaoro mandendeha retsy dia tsy dia maninona raha kotsa a.
Mamangy,
tena niainako ireo voalazanao rehetra ireo (fa tsy matetika kosa aloha e) tany afovoany i Afrika tany e !
Tena voalazanao daholo ilay izy kô !
Noheveriko ho SAROTSAROTINA ary aho ! Hay ka mba misy toa ahy ihany (Momba ny fanakanana taksy be - ny mpamily manaiky be fotsiny hay kay tsy làlany no halehanao - ilay taksy mandeha etsy sy eroa anaty
làlana tsy fantatra sns...) !
Fa ny zavatra mba MAHAVAKY VAVA ahy dia ny FAHENDREN'NY OLONA MIANDRY TANTANA na dia lava be aza ny mpilahatra - Zavatra tena NAHAVARIANA AHY fa TSY MIFANISIKA ry zareo !
Ny aty amin'ny manga/fotsy/mena aty dia aoka fotsiny an !!!
Ny any amin'ny be ravina koa dia MAHAFINARITRA koa fa na lasa mandeha mifoka sigara aza ny SASANY (zareo an !) dia mbola misy mahatsiaro foana fa tetsy na teroa no nisy azy ! Mahafinaritra !!!
Ny fomba fiarahana miaina dia milaza ny maha-izy azy ny olona !
Samy manana ny soa sy ny ratsy avokoa ny Firenena e !
Ho ela velona Isotry an !
Mirary soa,
O.H.
-30 ?! ahoana no hijoroana eny amin'ny trottoir amin'izany hatsiaka be izany ?
tsy fantatro lotra...lasa resaka survie be lé izy , rehefa ohatra hoe be rivotra lotra dé tonga dé aleo mandaha tongotra fa tsy miandry hoe mivadika bonhomme de neige eo...