Gasy ... miteny gasy

Published on 01/25,2008

Tsy haiko na lahatsoratra (???) fahafiry eto amin'ny sehatry ny aterineto ity, miresaka ny fitenenana ny teny Malagasy, ity lahatsoratra tora-po ity. Ny hitako faraparany dia ilay natorak'i Tokinao. Mandeha be mantsy ny fanentanana ny tsirairay hitia, hiteny ary hanoratra (angaha tsisy hoe hamaky ?!) ny teny malagasy. Aza matahotra, tsy i Pissoa no hanohitra izany – na dia tsy izay aza no horesahiko eto.


Mandendeha hono mahita raha ... dia maromaro ihany ny CV hitako teto amin'ny sehatry ny aterineto. Vitsivitsy amin'ireo kosa no fantatro ilay olona : Malagasy. Tsorina fa «fahiny» dia tena hafahafa be tamiko izany Malagasy tsy mahay miteny gasy izany. Ankehitriny kosa, efa lehibe angamba aho, dia miha-azoko ihany ny antony maro be tsy nahaizana azy. Tsy maninona raha tsy mahay miteny gasy ianao. Tsy maninona raha Dadà no hamakianao ny Dada. Tsy maninona raha be mangina hoy ianao rehefa te hiteny hoe mangina be. Tsy maninona koa raha Tique enaou no hanoratanao ny Tiako ianao. sns. Ny «maninona» kosa nefa, amiko, dia ... nahoana moa ny CV-nao no mbola misy hoe Malagasy: Fluent, na hoe Malagasy : C1 (Tsy asiako rohy ilay famaritana) ... sns ?


Tsy manana olana amin'ny «lainga kely» ataonao ao amin'ny CV aho fa mba te hanitona ny mason'ny mpampiasa angamba ianao hoe miteny tenim-pirenena 5. Amiko fotsiny dia fomba iray fanaovana tsinontsinona ny teny malagasy ny ataonao. Toa hitako ranamana isany nameno CV dia miteny ao an-tsainy ao hoe «ssshhh, zavatra tsy ho anontaniany akory io. Ary raha miseho manontany eo dia omeko ny Manahoana de pti vazaha». Sa ve ilay teny Anglisy sy teny Frantsay no tsy azonao tsara ... ka diso ny sokajy nametrahanao ny fahaizanao miteny gasy. Hooray.


Raha mahay miteny sy mamaky teny Malagasy ianao dia tsy mahakasika anao ity rediredy ity. Raha tsy mahay ianao dia ... miala tsiny aho (fa tsy mifona) fa nifosa anao ampahibemaso androany, hi hi hi.

 


Hevitra

  1. 01/25,2008 | 11:59

    Iza indray ary izo mampirehitr'afo anareo ao izao? izaho aloha tsy voateny ao e. Misaotra an'i Zan aar! (aleo soratana amin'ny teny niaviany sao tezitra eo koa Pissoa).
    izay ny ahy no iezahako manoratra amin'ny tenin-drazako na dia tsy maintsy holazaiko amin'ny an'ny vozongo aza tontolon'ny andro afa-tsy an-telefaonina sy amin'ny aterineto!
    Dia mazotoa mamaky teny sy manoratra e!

  2. 01/25,2008 | 12:38

    kay njy aty am aterineto kou mbola mifosa olona iany iii lol
    fa njy ve lou maay miteny gasy tsara e
    de aiza n ametrahan njy an le izy?
    enny e za lou aiko oe resindry be mitsy e
    na de zany aza mba mieritreritra ny tenako ho mahay ihany za sa ts aiko mety fieritreritro fotsiny klou zany e
    fa asa azy tena marina? hoeritreretiko manomboka refa veo

  3. 01/25,2008 | 13:27

    Mahereza Pissoa à

    Tsy omena tsiny raha tsy manam-pahaizana ilay olona ka manoratra diso.
    Saingy raha hatrany amin'ny fahakeliny ka hatramin'ny terminal (bacc) izy nianatra malagasy foana dia mbola tsy mahay manoratra ihany dia hoy aho hoe : Very taona maro izy izy izany. Mampalahelo !

    DdRb

  4. 01/25,2008 | 15:03

    ouf!!!! soa fa tsy nahakasika ahy ity lahatsoratra ity...
    soa ihany!

  5. 01/25,2008 | 18:18

    Hi hi hi -
    o ry zareo a, tsy maninona hoa raha tsy mahay e.

  6. 01/25,2008 | 19:40

    Iza ary no mahalasa saina anao ao o ?...
    Ny manaonao foana amin’ny CV ve ?

    Koa ny fahazaran-dratsy anie hampidi-doza e !

    NY ELA NITORATORAHANA hono, MAHAVOA MASON’ANGATRA !

    Mba asio tsidika matetika ity bilaogiko kely ity e - Misaotra

    http://bd-helysoa.oldiblog.com/

    Mirary soa,

    O.H.

  7. 01/25,2008 | 22:33

    tiako be ilay hoe nifosa ampahibemaso :D

  8. 01/25,2008 | 23:14

    ka le hoe "malagasy fluent" ve tsy hoe mahay miteny gasy tsara e? "parler courament" fa tsy voatery hoe ecrire correctement :b:b:b

    Ra ny hevitro aloha dia tokony tsy dia ilaina apetraka loatra ny langue maternelle e. Satria ra iny no teny eo @ firenenao, normale be ra tonga dia hoe automatika ra miteny an'iny enao... Raha ohatra ka misy "cover letter" (lettre de motivation) ka mety ho important na hoe mampiavaka anao ny fahaizana teny gasy dia izay ahay vao mila apetraka.

  9. 01/25,2008 | 23:27

    fluent izany ve tsy efa fluent e?
    dia izay koa, lasa rano!!!!
    ry sazykely sy maintikely koa mila mianatra teny malagasy fa ny mifosa tsy mba am-pahinemaso fa an-takona ihany e! io manko le nandikana an' le hoe quand on parle le fosa, on ... la queue!
    Nefa eto efa resaka kary am-pamoloana! Efa kar(y)ajia io! mba hamorona tenty koa anay ko! lol

  10. 01/25,2008 | 23:30

    Helisoa : misaotra amin'ny rohy.

    maintikely : ka izay koa ...

    simp : fa tsy mi-parle courament kosa angamba rehefa miteny hoe be mangina raha tokony hiteny hoe mangina be, hi hi.

    Tsy azoko ilay hoe tsy apetraka. Raha anglisy ve izany dia tsy tokony hametraka hoe miteny anglisy ao amin'ny CV. Heveriko fa azo apetraka rehefa hay ... fa ilay izy tsy hay akory, nefa apetraka hoe Fluent sns no mahatonga ahy miteny hoe manao tsinontsinona (Cf ... sssshhhh, zavatra tsy ho anontaniana sns).

  11. lap
    01/26,2008 | 11:12

    Mba ohatra ny ahoana ary ity pissoa ity rehefa miady an-tsena ? :roll: ;-)

  12. 01/26,2008 | 17:43

    marary be ny masoko mamaky ny soratra @ fond d'ecran violet be! nefa tena tsara be ny lahatsoratra ampitainao! mahereza manoratra @ teny malagasy fa tsy mbola tara isika e!

  13. 01/26,2008 | 22:08

    lap : Tazatazano eny amin'ny tsenan'i Tsarahonenana eny e - hi hi.

    news2dago : mankasitraka. Mbola amin'ny jolay any ho any vao eritreretiko ho ovaina nefa ity violety ity :(

  14. 02/19,2008 | 08:55

    Ny ahy aza misy hoe Latin parlé! Ny teknika hitako dia asiana hoe Lu/Parlé/Écrit (writing skills, etc.) eo akaikin'ilay teny. Amiko manokana dia "impossible" no manoratra teny gasy sans faute + sans vary @ anana (ataoko matsiro be aza draydray). Tsy nianatra nanoratra teny gasy aho makony tany ampianarana fa raha miresaka koa dia ....aiko tsara!
    Fa nakà décision be aho tamin'ity taona ity : mamangy blaogy 100% teny gasy matetika dé mba mahavatra manoratra sy mamaky teny gasy amizay. Fa aingana bé dia misy résultat...

    raha mbola tsy leo nareo dia hiverina eto matetika aho....

    Bisouxxxxx

  15. 02/19,2008 | 19:06

    Hello Jogany :
    marina ilay hevitrao hoe marihina tsara hoe Lu/Parlé/Écrit.

    Tsy ho leo izahay fa tongava matetika e. Dia misaotra anao miezaka hahafehy bebe kokoa ny tenintsika ;)

Leave a Reply

Hampiditra hevitra









 authimage