30 Feb ...
Mba saika hikarokaroka aho androany hoe maninona ary no tsy maitsy nasiana ity 29 Feb ity isaky ny 4 taona. Eny e, efa fantampantatra ihany hoe mba hampifanandrify ny calendrier sy ny fihodinan'ny tany amin'ny masoandro ... Fa na izany aza, angaha moa tsy afaka hoe natao maro kokoa ny leap second, na nasiana minitra betsaka kokoa ny ora ... Dia hanangatra ve ny Babylonians, lol. Mety ho azo atao koa hoe ny famaritana ny segondra no ovaina, halavaina kely izany e - lol.
Tsy hoe manana olana amin'ny 29 feb akory aho, na toa mampalahelo ahy ihany aza ireo teraka tamin'io andro io na indraindray koa tsiriritiko (miankina amin'ny mood io, lol) fa mba nisy 29 Feb ihany tamin'ny 1984 … Fa miampy iray be izao ve ny andro fiasana koa, lol. Tsy aleo ve mba atao hoe miampy iray ny segondra , lol ...
... Mba saika hikarokaroka aho hoa, saingy vao nanomboka ny "fikarohana" (hi hi hi - ohatra ny tsara faneno ery izy izany) dia nahita indray aho hoe hay ve nisy 30 Feb koa e !
febr 40 no efa henoko fa feb 30 aloha tsy ambolana!
resaka bobaka io fa matoa nampiana dia nisy tsy ampy tany aloha tany raha tsy izany mikorontana daholo ny rehetra e!
Io no manderaka amin'ny manoratsora-poana fa rehefa any aoriana any lazain'ny historien! miala tsiny amin'ny mpankafia angano! ho marina daholo izay voasoratra!
Loza anie ity fiainan'ny olombelona ity e!
za efa niteny fa tsy misy ny impossible
:-P
njy kosa fa mba manao économie pour 4 ans ny manana versera 29 février. Inay anie aho :-P
ah bon le 30?
(joan qui passe même quand elle a rien à dire)
ny amiko aloha ny tena tsy reviko am lé février dia fohy lotra é. Aingana be dia tonga ny loyer, dia nefa ny karama miafohy ny volana...donc c'est pas logique...
nsnif...bon andeha andefa chèque aloha rem
Bisouxxx
Azo atao koa anie ilay izy hoe 30 febroary isaky ny 8 taona é!
FA dia mampalahelo izay teraka amin'io fa isaky ny 8 taona vao anniversaire.
hihihi
ny ahy ho ahy ny mba tiako dia ampiana iray ny andro ao anatin'ny herinandro na ahena 1ny andro fiasana sy fianarana.
6andro (na 5) miasa sy mianatra ary manefa adidy, 1andro ho an'ilay ao ambany dia ny 1farany atao hoe fakan'aina. Tena repos be mitsy :D, ho an'ny tena samirery tsy misy adidy fa tena ho anao manokana. Mety ho tsara ihany.
Ny babyloniana ange hono mbola misy any foana e. Toa mbola mitazona ny tresor-n'i Salomona ry zalahy. Fa toa lasa izany templiers sy franc maçons sy ny forongony izany indray no anaran-dry zalahy amin'izao. Fa sekre be zany ... :-P
Harilova : mba tiako alamina bebe kokoa :-P
simp : hi hi hi !
Ikalamako : dia 4 gatoo ve ? Marary kibo eo :-P
Jogany : Iny kajikajy iny indray no tsy hitako ! Marina aloha e. (Hita be za hoe mbola tsy miasa, lol)
DadaRabe : aoka kosa e, hi hi.
Maintikely : miady amin'i Jogany amin'io hevitra io ndry a !
Lap : vao maika izy tsy manangatra izany ... Oufff ! hi hi
http://malagasymiray.net/2008/03/04/fevrier-sous-tous-les-tonstemps/#comment-1825
Dédicace à la miss
(navelako hoan'i Maintikely ilay hoe "fans" LSTN sns)
Bisoux
Hoy pissoa : "Angaha moa tsy afaka hoe natao maro kokoa ny leap second, na nasiana minitra betsaka kokoa ny ora".
Tsy mety zany kano :). Lasa tsy mitovy ny hazavan'ny andro @ 6ora androany sy rahampitso, afak'ampits, sns. Izay hoe mis elanelana kely. Ka reefa mitohy io dia ... any indray andro any, lasa ho maizimpito (toy ny sasak'alina) ny @ 12ora atoandro. Io fampitomboana andro iray isaky ny efa-taona io ihany no vahaolana :). raha tsy nampiana an'io andro iray io indray dia lasa hikisaka ny vanintaona : koa indrayandro any dia lasa hangirifiry toy ny ririnina andritra ny volana desambra (ao Mkara).
Misaotra e :)