« Mialoha | Manaraka»

03.03.08

Raha sendra

Posted in Tononkalo | 23:28

Hi hi - misy tantara kely hors sujet aloha eto ampanombohana. Androany aho nametraka comments tamin'ny blaogy iray mangataka email ... dia avy eo nataoko tao amin'ilay hoe website ny password, lol. Izaho nefa tsy mba mpameno iny hoe website iny akory - hi hi hi.

Bon --- io amin'izay ilay tena post fa vita ny hors sujet !!!


Raha sendra

Raha sendra tafahoatra, mandoro ilay masoandro
Ka mila hitanondrika ilay raoziko tanora
Dia iangaviako ianao, aza angatahina andro,
Fa mba alokalofy hitombo moramora.

Raha sendra ka mijijy ny orana, vaventy
Ka mila ho torotoro ny raviny malefaka
Dia iangaviako ianao, aza avela hirenty
An’ivom-paharavana ! Arovy tsy hitofezaka.

Raha sendra ka mitsoka, mifofo izany rivotra
Ka mila hampiongotra ny fakany malia
Dia ianagaviako ianao, totofy, aleo hodifotra
Ampio ho mafy orina ... hiandrandra ny doria.

 

Pissoa (03 Marsa 2008)

 

 

13 Hevitra | "Raha sendra" »

  1. ikalamako :

    03/03/2008, at 23:43 [ Valio ]

    eny akia pissoa a ! aza matahotra fa dia ho alokalofana tokoa moa izany.

  2. DadaRabe :

    04/03/2008, at 01:42 [ Valio ]

    Mahafinaritra !

    Raha sendra ka mandoro ilay masoandronao dia alokalofanay ianao é!

    DdRb

  3. jogany :

    04/03/2008, at 03:43 [ Valio ]

    (je n'ai rien compris satria alatsinainy ny andro dia aleo hors sujet dé nizao i jogany)
    Fa lé poème aloha tsara be...andraso vakilo indray mandeha...

    Bizy

  4. xxx :

    04/03/2008, at 05:14 [ Valio ]

    ko inona fa tsy nivoaka indray zany ny sekre faha-8 :-)

    Tsy mila mpanaloka manko amin'ny alina
    Ny oram-batravatra tsy avy divaraina
    Dia hangalariko io f'amin'izany tsisy malina
    Hampiako raozy indray ny ahy ny zaridaina
    Jereo eto, Jereo eto

  5. Lalasoa :

    04/03/2008, at 09:11 [ Valio ]

    Hi hi ilay hors sujet no tena nipetaka tato an-dohako => tratry ny déformation professionnelle indry! :-)

  6. sazykely :

    04/03/2008, at 09:30 [ Valio ]

    ra zà se de nataokoa rticle hafa le hors sujet de n titre natao hoe mbola manonofy angamba lol

  7. pissoa :

    04/03/2008, at 17:14 [ Valio ]

    misaotra ny mpitsidika rehetra !

    manantena anareo mpanaloka izany a, sady manaikitra be ny ete aty !

    Lalasoa sy Sazykely : hi hi hi ! tsy nanonofy na ni-deforme izany e !

  8. xxx koa :

    04/03/2008, at 17:15 [ Valio ]

    xxx : aza afindrafindra mivadika raozy dia any ny raozin'olona ! hi hi hi

  9. pissoa :

    04/03/2008, at 17:16 [ Valio ]

    nisy hadino, xxx ilay sekire fahavalo efa novaina koa hi hi hi.

  10. xxx :

    05/03/2008, at 00:02 [ Valio ]

    xxx koa : ny tompony no ahiako hivadika dia :b

  11. news2dago :

    05/03/2008, at 10:13 [ Valio ]

    ao ary e!
    arovana enao kony an!

  12. xxx koa :

    05/03/2008, at 18:18 [ Valio ]

    xxx : le tompony aza efa sivilize be koa :b

  13. pissoa :

    05/03/2008, at 18:20 [ Valio ]

    news2dago : misaotsa njinja e ! hi hi

Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage