Klotski - Ithaca
Misy mpankafy na milalao Klotski ve ianareo ? Hosimbaiko kely ny «fankafizana» azy mantsy lol.
Ankoatra ny deminera, karazana solitera ary sudoku izay efa nolazaiko tany ambadika tany dia isan'ny mandany ny androko/alina koa ny Klotski ! Azavain'i Wikipedia tsara eto ny momba ny lalao.
Mba nojerijereko ny lalao mbola tsy vita tao ... handrakandramana e lol ! Fa vao nahita ilay Ithaca aho dia nanontany tena hoe mba possible ary ve io – lol. Nitaditady tamin'ny internet aho raha efa nisy nametraka solution amin'io puzzle iray io fa toa tsy mbola !
Ito amin'izay ilay hanimba ny fankafizan'izay milalao Klotski : eto misy valiny sasantsasany amin'ny puzzles lol. Hitako tamin'ilay nitaditady an'i Ithaca teo io. Aza vonoina aho eeeeeee.

Ny ski aloha dia haiko ihany,
ny klôt :-) koa haiko ihany,
fa izy roa miaraka no toa tsy dia haiko loatra. ...tpt...
razaordira : tptb
fony mbola nampiasa nilux ... :-P
Dia tena tsy dia voa ilay izy satria tsy hay e ! lol !
Ny sudoku dia mba metimety ihany f'ity dia tena mbola eo am-pikitikitina amin'izao fotoana e !
htt://rahelys.unblog.fr
fony mbola nampiasa nilux ... :-P
simp, fa niova fo nga ela ? :-P
razaoridira sy Ikalamako : ha ha ha !
lap : :b
simp : manota fady njay a ! hi hi hi.
tena tsy hay tokoa ialy izy 'ka. :-). Ny ahy moa na dia ilay deminera aza tsy haiko 'ko :-P. Resy foana aho rehefa mifaninana amin'i zandrinay (lalao chronometré)
vao efa-bolana fotsiny zay na 5 8)
mea culpa :)
tsy mande @ tena linux ny soft ampiasaiko dia tsy maintsy miafy aloha. Il faut souffrir pour etre beau :b:b:b:b
eeee dia tena mbola tsy henoko mihitsy ireto izy ry pissoa! angamba hanokana fotoana manokana handinihana azy!lol