15.04.08
Aza Ampijaliana ny Tenintsika
Raha toa moa ka ... asiana "fizahan-takelaka" izy ity (he he - mangidihidy izay ny tanan'i DotMg hi hi)
- Hevitra voalohany [28 - 03 - 2008]
- Teny tsy marina [30 - 03 - 2008]
- "i" sy "ny" [05 - 04 - 2008]
- Tia - Te - Ta [08 - 04 - 2008]
- Famakiana ny "ka" [14 - 04 - 2008]
Famakiana ny "ka" (rohy maharitra)
Tsy maninona ve raha ny famakiana indray no resahina kely fa tsy ny fanoratana ? Tsy fantatro izy ity raha tena fitsipika marina na tsia, fa nisy niteny ahy hoe izay no fitsipika dia zaraiko eto. Tsy mety hono mantsy ny fiteniko hoe "Alika" na hoe "Mangatsiaka" taloha lol.
- Rehefa ny feo - o - na -a - no mialoha ny - ka - ao amin'ny teny iray dia - ca - no hamakiaka azy. Araho ny fitsipika amin'ny tsindrim-peo fa sao bedin'i Ramose Lapino. Ohatra : Latsaka : latsa-ca. Kotroka : kotro-ca.
- Rehefa ny feo - i - no mialoha ny - ka - dia - qui a (vakio haingana e, hi hi) - no hamakiana azy.Ohatra : Mangatsiaka : mangatsi-quia. Riaka : Ri-quia. Ikalamako : (I)-quia-lamako. Madagasikara : Madagasi-quia-ra (fa tsy Madagasi-ca-ra, amin'ny teny Malagasy io a).
Fanamarihana : Ny feo no "henoina" fa tsy ny fanoratana azy. Ilay "Mangatsiaka" ohatra, na dia - ia - aza no soratra mialoha ny - ka - dia - i - ihany no hamakiana azy ary - quia - no hamakiana ilay - ka - .
08 - 04 - 2008
Tia - Te - Ta (rohy maharitra)
Ataoko dika petaka eto ny hevitra tatsy amin'Ikalamako :)
# Nampidirin'i pissoa 08 Apr 2008, 14:02
Simp : ie - fanafohizana ny "tia" ny te sy ny ta. Fa raha tsy diso aho dia tsy tena fitiavana no ambarany fa "faniriana" ; ary ny "ho avy" no temps miaraka aminy. Ny "tia" indray milaza fitiavana, tsy hafohezina, ary miaraka amin'ny "Ankehitriny". lol.
# Nampidirin'i ikalamako 08 Apr 2008, 14:48
eka ouz ry pissoa !
Teo am-panodinkodinana spaghetti aho dia lasa tany foana ny saiko, ka vao lany izy izao dia inty ikalamako sy ny rakibolana hamaly ny fanontaniana :Ta na Te : fanafohezana ny "Tia", izay apetraka eo alohan'ny matoanteny milaza "faniriana hanao ilay asa lazain'ny matoanteny", ka ny TA no ampiasaina raha manomboka amin'ny "ha" ny milaza ny ho avin'ilay matoanteny, ary ny TE raha manomboka amin'ny "hi" na "ho".
Oh : ta hatory, te hisotro, te hody.
Ouf !
i sy ny (rohy maharitra) :
Ataoko dika petaka eto ny hevitra navela ao amin'i Jogany :)
Ilay -an’i sy -an’ny :
Toa efa voavalin’i Jogany ihany hoe rehefa anaran’olona dia “i” ! Amin’ny ankapobeny dia rehefa anaran-tsamirery (nom propre angamba amin’ny teny Frantsay) dia “i” no ampiasaina, ary rehefa anarana iombonana (nom commun) dia “ny” no ampiasaina.
Ohatra : Ray aman-drenin’ny mpianatra. Ray aman-drenin’i Pissoa.
Nohanin’ny alika. Nohanin’i Zeus.Rehefa milaza fotoana dia “ny” no ampiasaina. Ohatra : Tamin’ny Alatsinainy.
Rehefa toeana koa raha tsy diso aho. Eo alohan’ny MacDo
![]()
(Toa mbola misy hafa fa tsy tadidiko aloha izao, hi hi)
Lahatsoratra hafa : What if ... .
Teny tsy marina (rohy maharitra) :
Eo ankavia ilay mahazatra antsika. Eo ankavanana kosa ny fanoratra azy marimarina kokoa.
| Ilay Mahazatra Antsika : | Ny Tokony ho Izy : | |
| Anahy, Anah | Ahy | |
| Ny anahy, nenah | Ny ahy | |
| Anakiray | Iray | |
| Anazy | Azy | |
| Ny anazy, Nenazy | Ny azy | |
| Aliaka | Alika | |
| Hozy Pissoa, Ozizy Pissoa | Hoy i Pissoa | |
| Neveriko | Noheveriko | |
| Volou, Volohany | Voalohany |
Lahatsoratra hafa : Tokinao - Blaogin'i news2dago - Blaogin'i Lalasoa.
Hevitra voalohany (rohy maharitra) :
Mba handray anjara amin'io lalao "Aza ampijaliana ny tenintsika" io aho fa matahotra mantsy i Lap sao tsisy kil ony :-P
Sady lahatsoratra feno izy ity - no karazana famandrihana (booking) ihany fa tena hitako maro be mantsy no mazoto handray anjara !
Tsy asiako fanazavana lava be fa tahaka izao no ho ataoko eto mandritra ny iray na roa volana haharetan'ny lalao :
Hoy i Pissoa fa tsy : Hozy Pissoa na Ozizy Pissoa :)Iray fa tsy Anakiray ! Roa fa tsy Anakiroa ...
Isaky ny mazoto aho izany dia hiova ity pejy ity ; ny antenaina dia mba ahitsinareo izay diso atoroko eto lol.
Dia miandry ny fandraisan'ny tsirairay anjara ! I Jogany sy Ikalamako izao efa tena vonona be - i Lap moa toa efa nahavita adidy mihitsy (elah mangalatra depara kle hi hi).





simp :
28/03/2008, at 23:43 [ Valio ]
cool,
ataovy update kou ny date de publication @ izay mivoaka eo @ blaogy summary, na @ blaogy fahana rss, foana dia mba hita isaky ny misy miova. Ra vao takona tsy hita any tsony manko dia poinsa vitsy ny mahita azy...
amen
ikalamako :
28/03/2008, at 23:48 [ Valio ]
mitehaka rankizy a !
Mailaka ange ry pissoa izany e
Izaho (fa tsy zah ntsony) mbola mitady hevitra (fa tsy spapa).
Ho avy e, ho avy izahay lap a !
Tokinao : ok
28/03/2008, at 23:54 [ Valio ]
Tena hevitra tsara ity ataon'i pissoa ity fa hataoko ohatra an'ity koa ny ahy :-P. "actualiser"-na isak'izay mahatsiaro.
Fanamarihana kely : raha ny fijeriko manokana dia azo leferina ilay "Hozy" sy "Ozizy" na koa "ouziz" rehefa amin'ny sehatra vitsivitsy eto amin'ny aterineto (tsaty, dinika, sns). Izaho moa dia isan'ny mihevitra fa tokony hivoatra sy hiampy ny teny malagasy ka isan'ny teny mba tiako ho tafiditra ao anatin'ny "jargon informatique malagasy" ny toa an'io teny io.
Sa ahoana hoy nareo ? Toy io ihany moa no niatombohan'ny "I wanna" amerikanina (nalaina avy tamin'ny "I want to") : tamin'ny aterineto ireo teny ireo no nipoitra voalohany. Avy eo dia nampidirina tamin'ny fiteny ofisialy.
Ireo mpandinika ny tantaran'ny teny dia milaza fa "une langue figée est une langue morte". Ka raha tsy ampitoboina ny voambolana, raha tsy mampiditra teny vahiny, dia hisy elanelana be eo amin'ny "teny soratana" sy ny teny tenenina". Izany moa no nahafaty ny teny maro be nisy taloha : ny hebreo, ny latina, sns
ikalamako :
28/03/2008, at 23:56 [ Valio ]
eka ouz ry tokinao.
pissoa :
28/03/2008, at 23:57 [ Valio ]
Ilay mpametraka hevitra koa dia haingana be lol.
Simplex : Tsara ilay hevitra :)
Ikalamako : betsaka hoy aho ny mpandray anjara dia mila mamandrika dia ny aloha fa soa tsy mahazo toerana e - hi hi.
Tokinao : izaho aloha miombon-kevitra amin'ilay lazainao hoe Ozizy sy Ouzizy ! Fa ny tanjon'ny lalao dia ny hahafantarana izay tena marina. Ny hevitro efa nambarako tany amin'Ikalamako ihany hoe ianaro ny teny Malagasy - ianaro ny fitsipi-pitenenana sy fanoratana, dia anjaranao avy eo no mitsara hoe ahoana no hiresahako amin'i Rakoto na Rasoa.
Tokinao : fanampiny
28/03/2008, at 23:58 [ Valio ]
naveriko novakiana ilay lalànan'ny lalao, dia hitako fa hay ny tena efa ofisialy no anaovana ilay lalao.
Ka dia ivelan'ny lalao (na hors sujet) 'zany ilay "ouziz", sns izay narosoko etsy ambony :-). Na izany aza anefa dia tsindriko hatrany ny tokony hivoaran'ny teny malagasy. Tokony misy amboarin'ny akademisianina mba tsy hifanalavitra loatra amin'ny fiteny :-).
pissoa :
29/03/2008, at 00:05 [ Valio ]
Izay vao tena azoko hay ilay hevitry i Tokinao. Miombon-kevitra e hi hi.
lap :
29/03/2008, at 00:22 [ Valio ]
:-D Ka ny tena manko tsy dia mahay manentana loatra ka normal raha manahy tsy hisian'ny kil ko. Saingy soa fa be ihany no tia an'ilay teny gasy, izay mahay mazoto hanoro, izay tsy mahay vonona hanolotra ezaka. Fa tsy ratsy kosa ilay ankamandrika an! :-) Tairo ary fa hiezaka hanampy anankiray aho e, hampanginana an'izay be kredy @ depara :-P Ikalamako, eka :-)Helisoa : Tenintsika
29/03/2008, at 00:37 [ Valio ]
Tena tsara e !
Mahereza izany ary e !
http://rahelys.unblog.fr
lap :
29/03/2008, at 00:44 [ Valio ]
:-) Tokinao, ny mpilalao sisa. Ny be fatahorana efa namandrika ny size-ny :b Mba tsy hisian'ny fangalarana depara dia tairo ary fa hanampy iray koa aho e ;-)lap :
29/03/2008, at 00:45 [ Valio ]
:-) Tokinao, ny mpilalao sisa. Ny be fatahorana efa namandrika ny size-ny :b Mba tsy hisian'ny fangalarana depara dia tairo ary fa hanampy iray koa aho e ;-)jogany :
29/03/2008, at 07:53 [ Valio ]
"tsiss kil" lol!!!
simp>lé date de publication hovaina foana efficace be marina (hoy i Jogany vonona handray anjara nefa mbola mampiresaka eto)
pssiiiit> 21 Juin zany ao @ lé chatroom efa mahazatra iny
tokinao>dé avy eo zany ilay hoe Ozzzy Osbourne??
ttpt
sipagasy :
29/03/2008, at 09:51 [ Valio ]
miandry ny asa soratr'i jogany izany izao
harilova : lol
29/03/2008, at 12:53 [ Valio ]
angamba iznay tsy hanao lol na mdr intsony fa mfa (matin'ny fiomehezana aho!)
Boh
Tokinao :
30/03/2008, at 20:42 [ Valio ]
jogany : mapme mits njy 'ty hihihi
mahita tenenina tss
ikalamako :
30/03/2008, at 21:32 [ Valio ]
harilova : tpt (tapa-tsinay)
Ika :
30/03/2008, at 21:46 [ Valio ]
AY hatrany Mbanivohitra zany de manakory
tsary anona hotseny anay ka!
DadaRabe :
31/03/2008, at 00:06 [ Valio ]
Misaotra an'i PIssoa manome toro-hevitra any é!
DdRb
Tsiks :
31/03/2008, at 14:19 [ Valio ]
Fa mifanoro ery amin'ny mpanolotra ihany ve no tokony asiana teny malagasy marina sy mazava (madio) sa ny hevitra aroso ety ambany tsy asiana ezaka fa samy manao izay tiany hosoratana satria efa zatra sy maika ? (ny akotry tsy tenenina intsony) dray dray dray ! tsy azoko
pissoa :
31/03/2008, at 15:29 [ Valio ]
Lap : ok ! izay ahay mba marina ny lalao lol. Ka tsy hitan'ialahy hoe nilaina ve ilay namandrika. Jereo fa tena mifandrombaka mihitsy ny mpandray anjara lol.
Helisoa : Manantena anao handray anjara koa :)
Jogany indray hoa atokisako mihitsy amin'io cyber-fety io. Dia amin'ilay teny Malagasy koa ...
pissoa :
31/03/2008, at 15:33 [ Valio ]
Sipagasy : hatraty io miandry an'i Jogany io :)
Harilova : Ho anao io mihitsy no nanaovako ity lahatsoratra ity ha ha ha. Mananihany aho e.
Mankasitraka DadaRabe mitsidika a.
Ika : Jerijereo ao ambony ao ny hevitro mikasika io !
Tsiks : Na dia manjakely sy mihaja be aza aho ao anatin'ilay akanjo mihaja + kiraro avo dia tsy anaovako isan'andro ka. Dia tahaka izay koa ny teny amiko, tsy formel be foana no ampiasaiko na rehefa miteny na rehefa manoratra :)
lehilahytsyresy :
06/04/2008, at 07:32 [ Valio ]
kanefa aleoko ihany mahita an' i Pissoa manao manjakely sy mihaja be ao anatin'ilay akanjo mihaja + kiraro.
:-)
jogany :
06/04/2008, at 08:13 [ Valio ]
messi ki an !!!
very be makony aho ka io no tena mampy hanampaka aho manoratra amin'ny teny gasy snifff (i know it seems so easy but I attended ZERO malagasy classes, seriously....)
pissoa :
06/04/2008, at 20:48 [ Valio ]
Lehilahytsyresy : hi hi - aleo fa ataoko blaogy mihitsy rehefa manao akanjo mihaja be sy kiraro avo aho :)
Jogany : tsisy fisaorana e ! Dia mazotoa hatrany fa tena hita be ny fivoarana :)
harilova : Pissoa
07/04/2008, at 17:32 [ Valio ]
misy teny mijaly iray koa ao
alika fa tsy aliaka
nokinaikitry ny alika angamba no tena misy heviny!
Nohanina manko ampiasaina tsy araka ny tena heviny fa ny alika (fa tsy aliaka)manaikitra fa tsy mihinana (fara-faha-ratsiny any an-tanàna)
pissoa :
07/04/2008, at 17:42 [ Valio ]
Harilova : ny laoka no tao an-tsaiko tamin'ilay ohatra fa tsy hoe i Harilova ka hi hi. Nohanin'ny aliaka ny laoka (sa hoe nangalarina izany e ?).
Misaotra betsaka amin'ilay hoe aliaka e.
pissoa :
07/04/2008, at 17:44 [ Valio ]
Oops, miala tsiny fa mbola diso indray ilay ALIKA tamin'ilay hevitra hi hi hi.
DadaRabe :
08/04/2008, at 02:43 [ Valio ]
Mianatra foana izahay PIsosa à!
DdRb
pissoa :
08/04/2008, at 19:32 [ Valio ]
Aoka re ry DadaRabe marina a ! Ianao indray ve no hiteny amiko hoe mianatra ? Mankasitraka mitsidika e :)
sazykely :
09/04/2008, at 10:25 [ Valio ]
akory risé a
nandalo teto am blaogy ry zoky androany
nandalo de mba te hanoratra e
voalohany alou dia somary gaga iany aho fa asa na oviana na oviana no nisy ity fiovana goavana ity teto am blaogy n sé fa androany aho vao nahita e
de narian sé zany ikala violety i??? lol
fa stara alou le en tete an sady ra ts diso aho dia tena sary any am tanana tokoa io sary io fa efa nanao io iany sé de dokafako kely alou fa za nefa de mieritreritra fa tsara kokoa ra ilay sary tamboho tsika iny no ataon sé eo sady am zay mba mizesta koely sika e lol
zay fa andeha hibosy razandry e
sazykely :
09/04/2008, at 11:02 [ Valio ]
mankasitaraka ihany koa amin'ireo lien be dia bhe ery amin'ny sisiny ireo; fa tiako be sy tiako kokoa izao sé ra ataon sé eo koa ilay lien mankany amin'ny blaogy maha poeta ahy
Ikalakely :
09/04/2008, at 14:21 [ Valio ]
Mahafinaritra be fa mazoto be daholo isika rehetra e!
mitsidika mamaky lesona fotsiny e
pissoa :
09/04/2008, at 20:26 [ Valio ]
Sazykely : hi hi hi ! Ok ok. Ilay sary tamboho mbola hojereko izany raha mety milay lol.
Ikalakely : efa mahay lesona izany ? hi hi. Mazotoa dia misaotra mitsidika e :)