Aloka : Ny tao ambadiky ny sehatra (rideau ?!)
Efa natolotry DadaRabe teto amin'ny blaogy.com ity tononkalo hoe Aloka ity tamin'ny 08 Novambra 2007. Ankasitrahana hatrany ny fifampizarana sy ny fizarana ataon'i DadaRabe :) Saika nasiako fanazavana kely tamin'izany nahita ny hevitra navelanareo namana aho, fa naleoko indray nandrasana androany.
Aloka
Hatraiza ny lapan'ny fahatsiarovana
Ary aiza ny akanin'ny fanadinoana
No tonga manenika, mahatorovana
Ny akon'ny lasa niravoravoana ?
Moa tsy ampy ny vaikan'ny rivotra anio
Handrava ny embona mbola miritsoka ?
Sa nahery loatra ka zary tadio,
Nampisafoto ny hani-nanditsoka.
Ny saina va re no minia mitanisa
Ny rima sy gadon'ireo fidolana,
Sa ny fo tsy nandrairan'ny "fampandry adrisa"
No injao fa mitroatra, mandika lalana ?
...
Ny embona nefa : tandindona izany,
"Aloka" ihany raha hita ho namana.
Ny fiainana kosa mihodina hatrany
Ka "aloka" ve no 'ndeha hiantsapazana ?
Pissoa (Mars 1999)
31 Marsa 1998 i Bebenay no maty, ary Jiona 1998 aho no nanomboka nanoratra io Aloka io lol. Tamin'izany ny hevitro dia hoe "Tsy ho hadionay i Bebe". Toy izao no noeritreretiko tamin'ny voalohany :
[Andininy voalohany] Tsy omenay lapa ny fanadinoana, ho tompon-daka ny fahatsiarovana ireo andro maro niravoravoana niaraka taminao. [Andininy faharoa] Ka na hisy rivo-mahery hifanesy aza ao an-tsainay ao dia tsy hisy hanana ny hery hanongotra an'i Bebe sy ny fahatsiarovana an'i Bebe izy ireny . [Andininy fahatelo] Tsy ho fampandriana adrisa ilay fitenenana hoe "Tsy maty akory ianao fa mbola matory" fa ho tena velona tokoa i Bebe ! Hotanisainay ao an-tsaina sy hotehirizinay ao ampo ny zavatra natoron'i Bebe sy ny hafaliana nentin'i Bebe teo amin'ny fiainanay. Dia tapitra, tsisy Andininy fahaefatra.
2nde teny amin'ny Jufl aho tamin'izany Marsa 1998 izany nefa, fotoana nankafizana ny tononkalo Malagasy. Fotoana nianarana, namakiana ary nanadihadiana ny tononkalon'i Rabearivelo, sns. Angamba lasa vani-potoana fakan-tahaka io mpanoratra io mihitsy koa lol, ka tsy nety afa-po aho tamin'ilay vakiraoka voalohany tamin'ilay tononkalo. Novaiko, novaiko novaiko ary taty aoriana sady lasa tsy afa-po intsony aho tamin'ny endrika no tsy afa-po tamin'ny hevitra satria niova ilay izy ! Efa tonga ny Marsa 1999 mbola tsy nety afa-po ihany. Fa rehefa nigadona ny 31 Mars 1999 dia hoy aho hoe vita io rangahy a lol, na dia tsy voaveriko tamin'ny hevitra voalohany intsony aza. Izany hoe lasa tsy tononkalo mikasika an'i Bebe intsony ilay izy lol.
Niezaka nanoratra mikasika azy ihany aho taty aoriana ... fa tsy mbola vita. Na izany aza nefa dia mbola mitombina tsara ilay hevitra tamin'ny voalohany izany hoe : tsy hadino i Bebe :)
Tamin'ny napetrako tato amin'ny serasera.org moa io tononkalo io dia nitondran'i Toetra Raja fanitsiana. Ankasitrahana hatrany ny fanitsiana ataony. Tsy io ihany ny tononkaloko no efa nahitsiny fa misy hafa any ... :)
tafita ny votoatin-kafatra izany fa "tsy hohadinoina i Bebe". Sambatra izy eo am-pitsinjovana anareo zafikeliny.
Mahafinaritra akia a !
...
mba mamy loatra,
ny fiadanana
nandramanay,
anatinay
...
amen
simp : Weee ! Ataovy mafimafy e hi hi
MBA MAMY LOATRA
NY FIADANANA ... hi hi
Ikalamako sy Jogany : mankasitraka e ! hi hi
"irony lasa ka tsy tana
izany andronay fahiny
irony ora nidolana
tamin'iny làlana iny"
hoy ilay hiranay fahiny
manimanina ny zaza malagasy :-)
Rajiosy : hira ve io ? Toa tsy haiko h ihi.
Misaotra nizara pissoa a :-)
amen! Aleloia
Tokinao : misaotra ny mpitsidika !
Harilova : hi hi ! misaotra e.
hira taloha be e
na i dadarabe aza tsy mahay an'io
Ah - ok !
Tamin'ny andron'ny Jiosy ? hi hi.