Friendship
Published on 04/03,2008
Hi hi hi - hisaorana ny nandefa azy tany amin'ny mailaka ;)

NAMAKO ANY HO ANY
Tsy fantatro ianao hoe iza, na ny misy anao hoe aiza;
Tsy fantatrao ny amiko : avy taiza aho ka ho aiza;
Fa dia finaritra isika miserasera eto,
Mifampizara tsiky, mifampizara sento!
Tsy takatro fantarina izay tadiavinao,
Tsy fantatrao marina ny tena anatiko ao,
isika dia miresaka, midinika, mitafa,
Manjary fahazarana, tsy misy mihafahafa!
Dia misy faniriana ny hifankahafantàrana,
Angamba mety ho tsara
angamba mety ho marina;
Manahy anefa aho fa raha izay no izorana,
Fahasamihafàna no ho hita; hivaha ity mba fatorana!
Ka lasana ny saiko; tsy aleo ve am izao;
An-tserasera ihany no mihaona izaho sy ianao;
Raha latsaka anaty mantsy ny fifandraisana,
Rehefa mifarana, mandratra... mampitondra faisana!
Izao anie, na dia hoe tsy mbola nifankahita,
Any ho any misy namana;
Efa samy mino isika;
Izay aloha, raha amiko, dia efa zava-dehibe:
Fahatsapàna fa tsy irery anivon-dranomasim-be
Ka aleo ihany am'izao,
Namako any ho any ianao
Ryana
(27/02/03)
tokony misy tonokalo valin'ity kle...
le bandy mi-insiste :)
na izany na tsy izany,
mamangy @ fahoriana, hoan'ny sasany. Veloma @ mandrakizay...
... ianao ry violety.
*I will laugh... again*
:b:b:b:b
Simp : zay no mahavoa anareo bandy 'zay ! te hi-insiste foana tssss hi hi hi.
Lap : Izao aho vao namaky io lahatsoratra io omaly tsy voavakiko lol. Nampalahelo ...
Jogany : Please ... don't make me miss the purpleland (cry lol). Sady zaho ohatran'ny malahelo an'ilay violety sahady rehefa mijery eto ... lol).
Dia nalefa i Violety ve ?!
Tsara koa ny vaovao kah !
Ary tena Kanto ny tononkalo an !
Aza adino
"4 avril 1968 – 4 avril 2008 , Martin Luther King"
Mirary soa o !
http://rahelys.unblog.fr
Helisoa : I Violety ihany io fa nisolo akanjo ba fotsiny lol. Efa ho ririnina mantsy aty Afrika Atsimo.
Ie - tsara ilay tononkalo. Vakivakio ao amin'ny Vetso Serasera ao fa misy tononkalo tsara betsaka an'i Ryana.
hi hi hi!
le teo tena makarary ny masoko mihitsy ny mamaky ny soratra zao a zao tena mazoto @ izay!
Oay o!Tsy hita i violety fa ity akany vaovao ity koa anie tsy ratsy e
tsara ilay tononkalo kà, dia aza misaoty eo am-baravarankely na tsy tonga any aza izahay fa mijanona ihany ao aloha eto an!!!
iny indray no tsy hitako ry pissoa. Dia rehefa mahazo zavatra tsara pissoa dia hitomany izy satria malahelo :-)
I will laugh again...
Ahoana re raha hoe izay no navalian'i jack an'i rose t@ titanic e? If you jump... I laugh!lozaaaa
hay lasa tokoa i violety marina
mahafinaritra é!
elaela tokoa tsy nahatazana an'i Ryana
Maintikely> loooool zà hoa mbola motivée be foana mijery Titanic hatramizao! im purplish...
Bon week end les copains!!
la neige grave be makaleo be aty donc mitovy ihany ny ririna na Nord na Sud = malakaleo be
Biisouxx
News2Dago > lol ... nefa efa mitady hiverina purple sahady ary izy ity fa malahelo an'ilay purle aho koa :)
Ikalakely > Mbola hanisa 50000 aho vao hitsambikina hi hi hi.
Maintikely > hi hi hi ! andray kosa ! Mety niova be ny fankafizan'ny sipa kely ilay film sy an'i Dicap hi hi.
DadaRabe > Ela tokoa izy toa tsy nandalo blaogy ; fa misy tononkalony vaovao tena tsara indray ao amin'ny serasera aloha e.
Jogany > Je t'envoie une super paire de bottes par mail radem hi hi.