Misc ... [edited]
11 - 04 - 2008
Lol ! Misc hafa koa ity ! Mijery statistika ato amin'ny blaogiko aho. Misenina mihitsy ... Ireo ambany ireo ny lisitry ny fikarohana "karoka" nisy nanao tao amin'ny google ka nitontonany teto amin'ny Pissoa - the Malagasy (ny tamin'ity volana ity izany a) :
- Tononkalo malagasy
- Sary mpisipa
- Mofo gasy
- Miteny Malagasy
- Gasy manao porn
- Mpisipa
- Malagasy for life
- Pissoa (lol ... tongava mivantana eto amin'ny blaogiko raha te hahafantatra ahy lol)
- gasy MBA (lol ... hatrizay aho mba nanana MBA)
- Blaogy Fraz ( http://fraz.blaogy.com ny blaogin'i Fraz :) )
- Fredy Jaofera ( http://www.freewebs.com/fredyjaofera/ )
- Film porno malagasy
- Hamboly anana
- Photo verson (google is getting crazy lol)
- mandeha tongotra
- baiboly
- gasy poem
- sipa sex malagasy
- love poems
- Blog gasy ony (Tsy fantatro i ony lol. Raha tsy izany nasiako rohy)
- Mofo gasy
- Anana ritra
- raha xxx
- toetra raja wiki (tsy haiko ny wiki fa ito ny takelaka manokana : http://www.freewebs.com/toetraraja/ )
- tantrique chinois
- Lasary voatabia Picture
- gasy photo 2008
- ilay bal (lol ...)
- tonga soa
- neny tia
- jargon informatique
- tsena gasy
- Pissoa cape town (Efa eto Joburg aho izao eee - ha ha ha)
- Gazety malagasy
10 - 04 - 2008
Mihazakazaka ny fotoana !
- Efa vita tamin'ny Marsa sahady ny Block 1 amin'ity taom-pianarana ity tato amin'ny univ.
-
Efa niandry exam sahady indray izahay androany. (Aty mantsy tsy ny
mpiasan'ny univ tahaka ny eny Ankatso no miambina amin'ny exam fa ny
mpianatra mahazo vatsim-pianarana avy @ univ ihany lol - te hihinana ny
volany eo ka tsy hiasa ho azy ha ha).
(Aleo aloha ho tsara fanahy)
MCQ ny fanadinana natoan'ilay mpampianatra. Manamora ny fitsarana iny satria mananika ny 200 ny mpianany ka toa ho kandra ihany raha hotsaraina tanana. Ny atao izany dia fenoin'ny mpianatra fotsiny ny computer cards dia ny computers no mitsara avy eo ... Rehefa misy olana ihany iny vao tsy maitsy mijery ny zavatra nosoratan'ny mpianatra ny mpampianatra.
Na dia MCQ aza dia tsy rariny kosa ilay fanadinana androany raha ny fahitako azy e ! 29 exercises no nomena hataon'ny mpianatra ao anatin'ny adiny iray sy sasany. 3 minitra eo ho eo izany no tsy maitsy hamakiana - hahazoana ary hamaliana ny fanontaniana "lazaolana" iray. Hi hi - raha izaho no mpianatra nanao fanadinana androany dia mety nataoko hoe izay vita vita, izay tsy vita ... atao tsato-pisso fa mba 20% (5 ny isan'ny safidy) ny salan'isa mety hahamarina ny fanontaniana iray (ha ha ha).
(Ratsy fanahy amin'izay)
Ah la la ! Quel bonheur de voir les 180 etudiants ... "ecrire" contre la montre, tandis que nous sirotons un petit verre offert par le prof ou la fac (chui pas trop sure lol) ! Yayyyy.


Courage foana ry PIssoa fa sarotra io androany fa hody ventiny ny rano natsakaina rahampitso à!
Raha toa moa ka ... tsy i DotMG irery no manana ity toetra ratsy faly mijery ny fahorian'ny hafa ity?
mandeha par tour io pissoa a ! :-P
29 fotsiny?
Ny anay boky 73 isaky ny fanadinana no tsy maintsy atao masaka!!!
Dia ny fanadinana anefa tsy mihoatra ny 30 mn. Aty manko sia orale avokoa ny ffanadinana afa-tsy ny asa soratra takian'ny drafitra LMD
Courage Pissoa a! Manamafy ny tenin'i Dadarabe aho hoe hody ranony ny ventiny sarotra atelina nahakenda androany!!! lol
te hiverina hianatra indray aho izany mahita anareo manala fanadinana eto zany! marina moa e! tsy afaka misopapa moa zany ve nareo ry pissoa! lol
mbola aiza zany refa le MCQ tsy azo anaovana tsato-pisso...
mihena ny naoty ra vao diso ny valiny. Dia aleo tsy mamaly fotsiny refa tsy hay :)
DadaRabe : Ekena hi hi. Misaotra hatrany e.
DotMg : hi hi hi ! Roa izany no sain-jaza lol.
Ikalamako : izay mihitsy ... dia mihomehy aloha izao lol.
Harilova : ny isan'ny fanontaniana io fa tsy ny isan'ny lesona ilaina hamaliana ilay fanontaniana ka. Hi hi.
New2Dago : lol. Mitady raharaha !
Simp : hi hi - koa raha izany dia na heverina fa hay aza anie mety diso e. Dain be kle hi hi.
...edited
->sao tokony hoe "Pissoa, Hot and Sexy, Malagasy" aza ny titra kle :b:b:b
diso fanatenana ny mpampiasa GooGle :)
hamboly anana :-D
Naninona raha nampianarina iza no tiako aminareo telovavy izy @ lay MCQ?loool
ary betsaka somary sadique ny mpiblaogy izany an! pissoa, dotmg sns!mdrrr
Fikarohana google!!!
Pissoa a, ka ny anay anie ny fanontaniana tsy mba 29 fa "uno dopo l'altro ", iray hafa aorian'ny iray hafa, sady ny mandrraka dia izao, indraindray iray dia vita, indraindray efa ho "zato" mandrapilazanao hoe iny indray no tsy haiko!!!
Dia rehefa mahay ny fizotra (logique?) ny boky 73 ianao dia ok e.
lol
Simp : pfff - de hoe nerd & sexy ve ? yayyyyy hi hi.
Lap : tsy azoko ... sa ve hifindra vegan :-b
Maintikely : hi hi - iza no manaraka @ io lisitry ny ratsy fanahy io ? lol
Harilova : misaotra amin'ny fanitsiana e.
Lol ... izaho aloha tsy hahay ny fizotry ny boky 73 izany e lol. Aleo ihany 29 exo/1h 30 toy izay io lol.
Otran'ny intrus be izany ilay "hamboly anana" ao anatin'izy rehetra. Resaka malagasy ve ilay izy, sa resaka pissoa, sa resaka tononkalo, sa resaka bôsy ? ... sa resaka sesky ? :roll: Fa rehefa sainina hoe inona tokoa angaha izao no tadiavin'izany olona hoe "hamboly anana" izany, mety tena hoe : tahony sa vôniny no ambolena ? :-P
Fa tsy hoe hifindra vegan ka! mbola milay loatra ny vorivorin-kena sy voanjobory lena koooo :b
mba azo hanina ve less zany vorivorin-kena sy voanjobory zany le? :)
Ah - ok ! fa toa misy anana ritra ao ka. (lol ... mety hoe tiana atao ritra angamba le anana refa lehibe).
Eny tokoa hoa ! Matsiro ve izany voanjobory sy vorivorin-kena leisy kle ?(serie be za a). Toa kenakisoa sy voanjobory no matsiro.
pissoa: ilay mandefa ity comment iray ity izao anisany!hahahaha
Milay tena milay zany voanjobory sy vorivorin-kena zany ka. Ilay vorivorinkena mbola maintimainty iny fa ilay efa voavaofy lasa fotsifotsy be ireny efa very daholo ny tsirony.
Fika hazaona stats io mots clés @ blaogy io (I won't read the maths part of this post but I'm sympathizing with your pain lol). Manoratana né article iray feno hoe tourisme madagascar sns, fa tonga dia ho avy eto daholo ny tour operator rehetra é! Azo atao koa ilay exercice miarak@ s**sns but...
wowo tsy spam intsony aho, faly be.
Fa mba aiza eto SA no misy anareo ry sakaiza? Zay koa mantsy mba eto.
Miravo : Eto Jogurg aho amin'izao :)
aleo ampiarahana @ ravim-bomanga ftsn le voanjobory k ! Lol!
aleo ampiarahana @ ravim-bomanga ftsn le voanjobory k ! Lol!
Salu wata ! kiiii, hanipazo kely leisy a !