Rehefa tahaka izao

Published on 04/17,2008

Rehefa tahaka izao 

 

Manga, tsisy pentina ny lanitro eny ambony
Salanitra aho, salanitra
Midoboka toa onja ny fo, tsy mety tony
Misaotra an'Andriamanitra.

Dia mibitsika ny saiko, injay maminavina
Mitady ilay masoandroko
Ilay mpitondra hafanana tsy efako hovidiana
Raha nangatsiaka ny androko.

Aiza izay ilay volana tomaratry ny hariva
Mpanazava ny aliko ?
Aiza hoy aho - aiza ? ... Miantso toa antsiva
Ilay fo falifaliko.

Aiza irony kintana, ireo ravaky ny lanitro
Sariaka raha sariaka ?
Nahoana raha valiana izato antsoantsoko

 

 

 

 

 

Oops - mbola tsy vita io tononkalo io fa ndeha hiomana aloha lol.

 

Pissoa

 


Hevitra

  1. 04/17,2008 | 19:01

    saika tara indray pissoa an!
    aleo rhf vita tsara vao tena manao commantaire be e!lol

  2. 04/17,2008 | 22:04

    Dia arozazy izany!!! fa vita ko.

  3. 04/17,2008 | 22:21

    inn indray koa ity tononkalo "mbola hitohy ity"...
    Raha tsy i pissoa ve hanao zavatra toa izany. Tsy efa tapaka ilay inspiraka ?!
    Ka na ny masoandro aman-bolana sy irony kintana irony aza ho tratra intsony ???

  4. 04/17,2008 | 23:35

    News2Dago : tsy tara aho ka !

    Harilova : misaotra indrindra. Ary ny arozazinao ao manakory hi hi hi. Maztoo hatrany e.

    Ikalamako : tsy tapaka izany ny inspiraka ka lol. Ilay tononkalo tato aza 1 taona vao vita koa hi hi.

  5. xxx
    04/18,2008 | 01:18

    congrats my dear!
    be happy :)

    I'll remember of this day as the day I wore my awesome shirt...
    did 3 shots in a row and not even getting close to be drunk. :P

    mba alefaso kely ony le hira "lost- michael buble", misy dedikasy avy any @ volana, kintana, masoandro, galaksia, izao ntontolo izao... manao hoe, "you're not lost" ;-)

  6. 04/18,2008 | 01:24

    yiyiiyi
    Fiesta!
    any @ Cyber-fety ny tohiny! lol
    Bisoux be pour la meilleure

  7. 04/18,2008 | 01:24

    xxx : Don't even have to check your IP to know who you are. Really, thanks sooooo much (times Infinity). And yes ... I know - I'm not lost.

  8. 04/18,2008 | 01:26

    Jogany : niaraka nanoratra isika hi hi. Fiesta !
    Efa tena tsy spam intsony marina a ! Weeee

    xxx : hi hi - hadino kely ... : legendary hi hi.

  9. 04/19,2008 | 09:33

    Miaiky anao aho ka!
    Ny ahy ny tononkalo soratako raha vao tsy vita iny ny inspiraka tonga iny dia rovitra ny taratasy rahampitso maraina!

  10. 05/13,2008 | 14:12

    Tonga indray Pissoa kely
    Tonga 'njay ramatoakely
    Inspiraka tsy ao
    Ilay tànana manao hoe : NDAO !

    Ny kintana sy volana efa tsy eo intsony
    Ny masoandro mibaliaka no indro tonga
    Ka sao dia tara ianao,
    F'efa mandroso ny ora

    Tandremo ilay alika
    Rehefa mandalo eo ianao
    Fa ts'isy lamboridy
    Ka ho voakaikitra ao !

    HA ha ha !!!!!

  11. 05/13,2008 | 20:04

    hi hi hi - tpt !

Leave a Reply

Hampiditra hevitra









 authimage