Tany am-paradisa
[ze come back ... avy any am-paradisa hi hi hi]
Tany am-paradisa
Nofinofiko, hono, tany am-paradisa
Tazako tanivon'ny olon-tsy hita isa
Ny molotrao nitsiky, ny maso najopiaka,
Mitory fanaperana ny endrikao baliaka.
Ny fitafianao, tsara didy, tsara zaitra
Ny famindranao tsara gadona sy raitra
Rehefa niteny ianao, nilanto sy nilamina
Ny aminao rehetra, tsisy azoko nokianina.
Dia nandrasako hidoboka ny foko falifaly
Niriako hitempo mafy, toy ilay nataony omaly !
Tsy nisy nefa izany ka vaka teo ny saiko
Moa maty ilay fitia rehefa ritra ny aiko ?
Taitra tamin'ny nofy aho … Izay vao nahatsiaro
Fa raha notiaviko ianao, navahako amin’ny maro
Dia tsy sanatria akory ianao “anjely diso akany”
Fa satria ianao no ianao amin’ny olona eto an-tany.
Pissoa
wellzecome back i joburgaise o !
clap clap clap le poezia akia !
weeeeeeeeee re e!
adaladala anefa tany am-paradisa an! ouz ilay hira :D
Ndroooooo tsara beuh ilay izy
Tanteraka ihany ny nofin'i Razaordira. Tafaverina soa aman-tsara eto @ blaogy ihany ianao rahavako, nitondra vaovao avy tany am-paradisa. Ek hetwag vir jou, Pissoa. Ek het van jou gedroom.
bravo, tiako be ilay farany :
"Fa raha notiaviko ianao, navahako amin’ny maro" ...
hosorana menaka zany ko!
sitlo =))
Ikalamako sy maintikely : Hi hi - zaho hoa tsy mijanona miblaogy zany fa tsy hanao mavitrika fotsiny lol.
Mankasitraka e.
Iza ary ? ... Nefa sitlo hi hi hi.
Milay be le hoe Ndeha aloha hitaingina camion. Ha ha ha.
Mankasitraka ravaka a. (Ttyl)
News2dago : lasa otran'ny voalavo aho fa tsy saka tsony raha osorana menaka hi hi hi.
Razaoridira : Hi hi hi.
Ek gesien u wag in m drome ... (Hahay Afrikaans eto ihany ny farany lol).
Lap : hi hi hi.
Izay mihitsy no fiantso azy ireny izany: >anjely diso akany< !
T@] za tany am-paradisa ,dia nieritreritra sy namisavisa ,fa raha ny tahona tsiasisa , no handroahana gisa ,dia aleo mandeha any Analakely ,mitady mofomenakely ,fa lavitra be kay ilay any am-paradisa .
Oooouf !,sady savl za no te hatory .
Bilakarenjy : hi hi hi.
Lalasoa : lol. romantika be hi hi
sitlo: afa zany paradisa nao zany an lol
pissoa: !!!