~ arahaba sy arahaba ~

Published on 05/11,2008


arahaba sy arahaba

 

 

1 -  

 

Omeko ny herin'ny Fanahy ianareo

Ka ho vavolombeloko hatrany amparavazan'ny tany.

 

 

 

(izay ilay arahaba voalohany)

 

2 -  

Miarahaba ny reny rehetra mandalo eto ... (ie - androany ny Mothers' day aty Afrika Atsimo). Mifanatera amin'ny zanaka maditra e hi hi hi. (bon - atao eto ihany ity tononkalo ity na dia somary lany daty aza ho anay manokana lol)

 

Ho fetin'i Neny

Neny ô !

Androany ihany ony
no natao ho fetinao ?
Androany monja !
Nefa anie ka ny onja
mafy resinao
no tena mampitony.

Fa iza moa no niaritra
ny feoko raha nikiaka ?
ny ditra sy tomany
raha tsy ianao ihany !
Ny sasany aza moa mipiaka
helika ... Finaritra !

Ry Neny tokako eto an-tany,
Ry volako baliaka,
Izao no tarigetra :
Ny andro sisa rehetra
mbola iharahantsika
Dia ho fetinao hatrany.

Pissoa

(Jereo eto

 

 


Hevitra

  1. 05/11,2008 | 21:14

    Dia misaotra amin'ilay fiarahabana natolotrao ho anay reny.

  2. 05/11,2008 | 21:58

    Manolotra firarian-tsoa mandrakariva amin'izao fetin'ny filatsahan' ny Fanahy Masina izao, indrindra indrindra moa ho anareo mandranto fahalalana sy fahaizana any ampitan-dranomasina any.

  3. 05/11,2008 | 22:37

    miarahaba an'i pissoa sy ny rehetra tratry ny pain thé compte (vokabolary hitan'i harilova indray re io ranjekakiko e...), ary mirary soa koa ny reny rehetra koa fa aty amin-dr'i berlusconi fetinay koa androany.

  4. 05/12,2008 | 00:58

    Hay moa ry reto pentecôte androany afabaraka fa miresaka an'izany ianareo vao fantako , zah mantsy t@ vao tonga kelikely taty ihany no nankany am-piangonana dia tsy nandeha intsony avy eo fa efa somary antitratintra daholo ny mpiangona dia te hatory be foana aho, hidiran'ny devoly mihitsy, misaotra ny fiarahabana fetin'ny reny e!

  5. 05/12,2008 | 09:00

    Pissoa ==> Bravo tamin' ilay tononkalo e.
    Ikalamako ==> hay ve tany amin-dry ikalamako koa fetin' ny reny omaly e ?
    Betsaka tokoa ny fety nifanontona tamin' ity taona ity izany: teo ny "May Day" (premier Mai) sy ny fetin' ny ascension, ary teo koa ny pentekosta sy ny fetin' ny reny.
    Ny fetin' ny ray moa dia mbola afaka iray volana.

  6. 05/12,2008 | 09:27

    Misaotra pissoa fa ny anay aty frantsa mbola afaka herinandro, fa dia aleo aloha mirary pentekoty sambatra ho an'ny rehetra e!

  7. 05/12,2008 | 11:20

    misaotra! dia faly miarahaba ihn koa

  8. 05/12,2008 | 11:48

    tratry ny pentekoty jiaby izany :D

    Bonne fête à toutes les mamans izay efa nankalaza izany :)

  9. 05/13,2008 | 00:41

    arahaba - arahaba :)

  10. 05/13,2008 | 20:06

    Misaotra antsika isika e :-P

  11. 05/13,2008 | 23:13

    Misaotra amin'ny tononkalo e! Lasa mahatsiaro an'i mamanay aho mamaky azy!

  12. 05/16,2008 | 10:33

    salisali
    apitaiko any am zandrikoely io arahaba io e
    de le tonokalo ts itako ze apitaina azy ra ts oe averina any aminjy ngah lol courajy e

  13. 05/16,2008 | 19:43

    Saluuuuu sazykoely hi hi.

    Bizz njy. Alefa any amintisy koa ary le tononkalo fa njy no ao Dago ao zao e. Kissssssss

  14. 05/18,2008 | 11:21

    za zany ny neny iii
    oeeeeeeeeeee

    vaovao milay be
    nahazo bitso koely anakiroa zay JOPLI sy JOPLA no anarany bogosy le izy an

  15. 05/26,2008 | 15:35

    Tanjemo sao misy mamono any i Pissoa kely fa toa giravy ny tantara an !

  16. 05/26,2008 | 19:24

    Manao ahoana Kdaombaramita !
    Aza matahotra fa tsy dia atahorana aty amin'ny misy ahy ka. :-*

  17. 05/27,2008 | 15:07

    >Aza matahotra fa tsy dia atahorana aty amin'ny misy ahy ka. :-*

    Rahabaina tsy maty fo aman'aina ... dia mirary soa hatrany amin'ny ho avy e !

  18. 05/27,2008 | 19:42

    Mankasitraka Tomavana a !

Leave a Reply

Hampiditra hevitra









 authimage