Bony fety dada (Manerana - updated)

Published on 06/15,2008

 

15 - 06 - 2008

 

Raha tonga ny fetin'i dada

Izaho no manolotra moa

Oroka sy arahaba :

Ba ny takolaka roa.

 

(Hi hi - tsy dia tadidiko intsony ilay tsianjery tamin'ny mbola kely).

 

Dia ankafaliana koa ny hiarahabana sy hirariana soa ny ray rehetra mandalo eto amin'ny (Pissoa - the Malagasy) ... Aleo tsy tanisaina fa sao misy hadino ka ahitako loza eo hi hi.

 

29 - 05 - 2008 

 

 

 

Efa hatrany ampiandohana no manerana ny fiainanay ianao. Niandrandra ary mbola miandrandra ny taratrao izahay. Tsy andry ery ny ahitana anao indray, handravaka ny lanitra sy hampibaliaka ny andro, raha sendra saron'ny hatsiaka mamirifiry na rarafan'ny orana sy varatra izahay. Fantatray mantsy fa te handresy ireny rehetra ireny ho anay ianao, ary ao aminao no hitsirian'ny fanantenanay hahamirana ny endrikay indray. Avelanao hankafy ny hafanana avy aminao izahay, nefa tsy avelanao hipetrapetraka koa fa entaninao, terenao havitrika hatrany hiatrika ny andronay. Avelanao hamindra eo ambanin'ny fahazavanao izahay, nefa entaninao hazava ao aminay ihany koa. Ao aminao no tena ahitanay izany hoe Endrik'Andriamanitra  ... fa mampahatsiaro anay ilay Ray ao an-danitra ao ny ataonao anay ! Ray Be Fitiavana, mahafoy, mitsinjo anay ... "Fa ny fahendrenareo no hany harenako" hoy ianao !

Haharitra hamiratra eny amin'ny lanitrao sy ny andronay anie ianao ... Dada ... Dada :)

Happy Birthday :)


Hevitra

  1. 05/29,2008 | 11:05

    ndrooooooo, ary misy feeling tena miakatra mihitsy eto an.
    Mahay akia nareo a ! Mahery e !
    Clap clap clap clap clap

  2. xxx
    05/29,2008 | 12:49

    mba asivo hoe bisou dada kosa eee :P

    zoaie zaniversera :)

  3. 05/29,2008 | 14:41

    pissoa: tadidindry talou le tsarovy le dadanay any ambanivohitra any iiii
    na ilay hoe ity andro androany ity de atokana hitondrana ambavaka ireo mpiasa tany

  4. 05/29,2008 | 19:25

    avia mihitsy aloha, dia bà dada (bisou) fa mahafatifaty loatra ilay aingam-panahy.

  5. 05/29,2008 | 19:40

    Mankasitraka Lehilahytsyresy sy Ikalamako a.

    xxx : ha ha - toi ve mahafantatra an'le hoe "bisou lavitra" hi hi.

    Sazykoely : hi hi hi ! Tanjemo hadinonareo ny manao an'io refaveo a. Sinon tadidin-njy ve le hoe : Aiza ny varin'i Dada ry Miali ? sy le hoe Raha misy jiro roa izay vidiana ao amin'i ... . Mwa ha ha. Tamin'ny mbola tao amin'ny trano kely tsika no nipetraka no tena mbola nisenina be ah. Ha ha ha. Love you all soooooo much.

  6. 05/30,2008 | 00:01

    Dada ianao, ka hotsaroana
    tsy ho adino na oviana
    na indrisy toa variana
    raha tsy hita manoloana...
    Dia oro-davitra fanao
    may indrindra fa fitiavana
    na manirery lavi-kavana
    dia miarahaba anao!
    Dada ianao ka holalaina
    sady hajaina sy ekena
    satria izany no valim-babena
    avy aminay ireo sombin'aina.

    Dia aoka izay fa i Pissoa no manohy azy dia ampitao am pias tan rehetra any ny fiarah baina e

  7. 05/30,2008 | 00:04

    lasa may le mamy

  8. 05/30,2008 | 00:57

    Mankasitraka Harilova a !
    Tsy ho atelina ny hafatra hi hi.

  9. 05/30,2008 | 14:58

    Mba mitsidika dia mamela hafatra. Toa poety ny eto. Mbola tsy nahita blaogy tena "minimaliste" noho ity aho. Kay misy zava-tsoa miafina. ;-) Misaotra tamin'ilay soso-kevitra boky. "Mitaraina ny tany" ve moa ilay novakiana tamin'ny terminale (promo 89-90 aho)? te hamerina an'iny aho mantsy fa tena tsy tadidiko hoe inona ny lohateniny.
    Ilay "Finoana sy fomba" toa mahaliana koa.

  10. 05/30,2008 | 16:11

    Pissoa: ary le kabariko nofaranana tamin'ny hoe Izany ary ny tenin'ny Tompo ngah ts tadidindry lol

  11. 06/15,2008 | 14:05

    Raha tonga ny fetin'i Dada
    Izaho no manolotra moa
    Manolotra aho no sady miteny
    Bà ny takolaka roa

    Raha tonga ny fetin'i zoky
    Dia andrehetana jiro
    Tolorana sary sy boky
    Hanaovana laoka matsiro

    Ny akanjo sy laoka tsy tiako
    Ny bà fafako hatrany
    Ny tiako raha tonga ny fetiko
    Dia saribakoly ihany

    (Tena tsy tadidiko ny omena an'i neny kle !!! Mety akanjo angamba satria ny laoka sy bà efa lasan'i zoky sy dada :-D )

    Mirary soa ny ray rehetra e !

  12. 06/15,2008 | 14:07

    Rapida be ikalamako izany :)

    Misaotra amin'ny tsianjery e.

  13. 06/15,2008 | 16:29

    Rehefa tonton moa dia efa dada ihany oo :P

    ;-)

  14. 06/15,2008 | 20:05

    Tonton simp bony fety des peres elah ! ha ha ha

  15. 06/20,2008 | 07:37

    ity mba avy amiko na tara aza e!

    Na fetin'ny ray io na fetin'ny reny
    Aoka ho tsaroana ombieny onbieny
    fa olona roa mifameno izy ireny
    ka tokony henoiny rehefa miteny

    Raha i Neny malefaka mandambolambo
    'lay mahatonga ny ankizy hidingina rambo
    dia i Dada no lasa 'lay mpivazavaza
    Ny tanjon'ireny: mba ho hendry ny zaza

    nefa na dia misy aza ireo be dongy
    tsy vitany kosa ny hamely totohondry
    miteny, mananatra izy, midradradradra
    mbola tanjon'ireny ny hahendry ny zaza

    Avylavitra (teto am-pototry ny solosaina)

  16. 06/21,2008 | 21:17

    Mankasitraka Avylavitra a !

    Tsara be !!!

Leave a Reply

Hampiditra hevitra









 authimage