20.06.08
Cyberfety ... efa tapitra e :-P
[21 Jiona 2008 - Hariva]
Misaotra antsika isika e !
- Misaotra ny niandohan'ny lalao !
- Misaotra ny rehetra nandray anjara tamin'ny lalao !
- Misaotra ny namaky ny lahatsoratra rehetra nataon'ny namana nandritra ny lalao ! (Jereo eto ny lahatsoratra nataoko ... Jejo aho e ? hi hi).
- Misaotra ireo nikarakara ny cyberfety ... (misaotra manokana an'i RVG sy Botlives01 lol, nice to finally meet you guyz ha ha ha)
- Misaotra ireo tonga tamin'ny cyberfety !
Misaotra antsika isika e ;-)
Tatitra nataon'ny namana hafa : Lapino, Simplex, Ikalamako, Foko Blog Club ary Jogany ! (Random ny filaharany fa tsy hoe arakara-jokiny a hi hi hi)
[21 Jiona 2008 Maraina]
A a a e ! Tsy mahazo mamaky na mamela hevitra eto androany fa mandehana ao amin'ny Cyberfety :-)

[19 Jiona 2008]
Iray maka bahana ...
Nifanentana sy nandray anjara tsy hampijaly, ary hanandratra ny teny Malagasy ny mpitoraka blaogy sy ny mponin'ny aterineto nanomboka tamin'ny antson'i Lapino :)
Roa fiomanana ...
Tapaka fa asiana lanonana famaranana ity hetsika ity ary amin'ny faha-21 Jiona no hanatanterahana izany, amin'ny 3 tolakandro, ora any Madagasikara.
Telo dia lasa ...
Tongava daholo ary amin'ny 21 Jiona 2008 amin'ny 3 tolakandro (Ora any Madagasikara).
- Mandahara hira ao amin'ny radio Vazogasy.
- Dia mandehana ao amin'ny http://tetikasa.telomiova.org/cyberfety na http://club.foko-madagascar.org/
- Dia miresaha dia milalaova ... dia milalaova dia miresaha.
Tongava re ... tongava re





ikalamako :
20/06/2008, at 11:14 [ Valio ]
eka ouz fa lasa zao ; kaiza kaiza daƓly ary e ! (tpt)
lehilahytsyresy :
20/06/2008, at 13:06 [ Valio ]
21 Jiona 2008 amin'ny 3 tolakandro (ora eto Mada).
Aiza tokoa moa no toerana hanaovana azy io ? Etsy amin' ny SFF Ampasanisadoda moa ?
:-)
harilova : lol
20/06/2008, at 17:50 [ Valio ]
ka tsy SFF izany fa SFT koa : fanabeazam-boho ny Teny!
Dia tongava daholo izany fa izaho handeha hamonjy mariazy hampitombo isa ny mpandalina ny haisoratra e!
pissoa :
20/06/2008, at 18:35 [ Valio ]
Harilova : tsssss. Za efa sahirana mihitsy nibata ny seza ho anao ka tsy ho tonga ao indray ?! tsssssss
pissoa :
20/06/2008, at 18:36 [ Valio ]
Lehilahy tsy resy hi hi hi, tsy ho mongo be ve raha hipetraka ao amin'ny sezan'ny SFF hi hi
simp :
20/06/2008, at 19:39 [ Valio ]
rendez vous be rampitso haha
@ sabotsy mifankahita eee :)
ikalamako :
21/06/2008, at 20:39 [ Valio ]
misaotra ny mpikarakara sy mpanatrika rehetra ary izay nanam-piniavana fa noho ny antony samihafa dia tsy afaka (maintikely, ikalakely) sy ny tratran'ny olana ara-teknika dia tavela tany ivelan'ny vavahady (lalasoa, grrrr).
Maromaroa ny toa ireny an !
pissoa :
21/06/2008, at 20:46 [ Valio ]
Ikalamako : tonga tao i maintikely dia mbola nilalao kely izahay ka :-P
Misaotra antsika isika e !