Mihodina ny tany
Mihodina, mihodina ... toa tsy mahatsikaritra izay efa nateliny akory ny tany. Herin-taona tahaka izao mantsy, nihitsoka tao amin'ny seranam-piara-manidina iraisam-pirenena eto Joburg aho, raha efa ilay dodona iny indrindra ny amiko rehetra fa ... hody, ho any Madagasikara ... ho any amin'ilay akany. Ahita indray ireo endrika mamy nandritra ny roampolo taona niainana tao Antananarivo, endrika nafenin'ny halavitana nandritra ny telo taona.
Herin-taona toy izao hoy aho, hafa tsy ny hoe Sabotsy tamin'izay fa tsy Alatsinainy ... nihitsoka tao amin'ny seranam-piara-manidina aho mandra-pahamaizin'ny andro. Rehefa nolazain'ilay rangahy izay fa tsy ho lasa mihitsy aho iny Sabotsy iny, dia ny ranomasoko sisa no nilatsaka. Efa ela loatra no niandrasako io andro io mantsy sady tsy naharay antso na sms avy any Madagasikara aho nandritra ny andro ... Vaovao tsara izany : pas de nouvelles, bonnes nouvelles ?!
Tsia ... Hay tsy fahatongavan'ny volana hirihariha amin'ny lanitra nandritra ny alina no nanamaizina ny andro tamin'iny, fa ilay volan'ny fiainako no nidify tany ho any ... ambadiky ny ranomasina saingy tsy mbola fantatro tamin'io Sabotsy 21 Jolay 2007 io.
[Nadikako avy ao amin'ny Journal-ko ity ampahany ity]
Alahady 22 Jolay 2007
Tonga soa eto an-tranindrazana ihany aho. Vadin'ny cousine-ko no niarahaba ahy voalohany ! Noraisina ny entana dia namonjy ny fiaraha izahay sy ny mpitsena ahy teny. Efa-mianaka izy ireo no nitsena ahy teny Ivato : Dadanaivo, Vadin'ny cousine, Rahavaviko (cousine) ary Zandriko faravavy.
Tsy dia liana loatra tamin'ny resaka natoan'i Dadanaivo aho tao anaty fiara nanjohy ny lalana avy eny Ivato nandeha tany an-trano. Toa hisy rahavaviko (cousine) hanambady mantsy no nitsinjovako ny fomba firesany tamiko ; izahay rahateo koa moa nivanitika sy nihomehy daholo tao anaty fiara. Tsy hoe tsy nahaliana ilay resaka ... fa ny saiko mihitsy no tsy tamin'izany ! Zavatra tokana no tao an-tsaiko : hody dia hipetraka eo amin'i Neny araka izay azoko atao.
Efa nandeha elaela ny resakay vao vaky fa na efa fantatro aza fa narary mafy i Neny tamin'izaho niala tany Joburg, dia tsy ilay Neny eritreretiko intsony no hovantaniko ao an-trano fa ny "nofo mangatsiakany". Nanontany aho raha efa nahafantatra ny olona akaiky ahy indrindra any Joburg dia ENY, ora vitsy taorian'ny nahafatesan'i Neny izy ireo dia efa nahafantatra saingy tsy navela niteny tamiko. Efa nitohy elaela indray ny resaka vao nitomany aho - kely fotsiny fa tsy be ka. [Nesoriko ny ampahany teto - izay zavatra nolazaiko tamin'izaho nitomany]. Iray minitra ihany angamba dia nanontany aho raha manao ahoana i Dada. Tsy mbola nahita an'i Dada nitomany aho hatrizay niainako, saingy asa na manao ahoana izy ... fa ny vadiny no maty, ny olon-tiany. Saingy tsy maninona hono i Dada, ary niverina indray ny hanihany sy ny hehy tao anaty fiara.
Ela ny ela ... tonga tao an-trano ihany izahay. Tsy nihidy ny vavahady ary zandriko telo mianadahy no nitsena ahy teo an-davarangana - tsy nisy ranomaso. Nandroso tao an-trano aho ... olona be dia be no tao, fa i Dada ihany no noharabaiko dia nanatona an'i Neny aho - tsy nisy ranomaso. Niondrika aho, nandohalika dia nanao ny famantaran'ny Hazo Fijaliana [Eny Katolika aho]. Raha vao vita nefa izay dia toa tsy hitako akory izay holazaina an'Andriamanitra. Fantatro fa tony dia tony aho tety ivelany, saingy tao anatiko tao kosa ... nihotakotaka. Andriamanitra o ... Andriamanitra o ... Andriamanitra o ... tsisy misy farany intsony no nibosesika tao an-dohako. Efa elaela vao tadidiko fa tonga soa tao an-trano aho na inona na inona vantaniko, izay koa vao tadidiko fa mila vavaka izahay mianakavy kely :)) Rehefa afa-po aho dia nitsangana, zandriko lahy iray no nandray ahy dia nifamihina izahay mianadahy - tsy nisy ranomaso. Izay vao nandeha ny fifampiarahabana tamin'ny fianankaviana sy ny olona tao.
[Nesorina ny ampahany teto - lava loatra]
Be dia be ny nitranga iny alina iny, nanomboka tamin'ny fiandrasana an'i Mopera ! Oooay, nahavita nihira tsara aho nefa tany Joburg toa tsy mety mahavita mihitsy izany mihitsy. Rehefa vita ny Lamesa ary efa vitsivitsy ny olona [tsia - tsy nasiana fiaretan-tory to Antananarivo] dia niresaka mitokana amin'izay izahay mianakavy kely. Efa nifampizara andraikitra hay ny tao an-trano amin'ny fanomanana ny fandevenana ... Izaho toa tsy mba nahazo andraikitra ?
Isan-taona aho rehefa amin'ny anniv-ko dia somary manao jery todika kely hoe inona no vita - inona no tsy vita sns tamin'ny taona iray nodiaviko. Tamin'ity taona ity aho ... androany vao nahavita io jery todika io.
Mihodina hoy aho ny tany ... mihodina toa tsy mahatsikaritra izay efa nateliny akory ! Soa fa tsy azony atelina ny mamy nentin'ny fiainana amam-pahatsiarovana.
Araka ny nolazaiko tery ambony dia nadikako avy ao amin'ny Journal-ko ny ampahany amin'ity lahatsoratra ity. Tamin'ny namaky azy aho androany dia hitako niverimberina be ny hoe Tsy nisy ranomaso ! Nanomboka tamin'ny nahatongavako tao an-trano ny 22 Jolay 2007 ka hatramin'ny andro fandevenana ny 25 Jolay 2007.
Tsy misy ranomaso.
mahereza foana e !
mamy betsaka.
henjana izany fianan'ny zanak'olombelona izany!
tsy maintsy ho ateliny daholo ihany ny manampofonaina rehera ry pissoa a! ny manam-pinona no mahazo tombony satria efa manam-panantenana izy @ fiainana any akaotra.
mahereza e!
"Tsy misy ranomaso"
satria efa vehivavy lehibe izao...
... tsiky no asetry ny fiainana. Mba ho fifaliana indray no hotantaraina @ hoavy :)
oui mihodina ny tany
je me suis souvenue de la date hier et tu étais dans mes pensées.
Manana finoana fa izay no mampiavaka antsika kristianina
bizz
Matanja-tsaina ihany ianao kah. Izany tokoa rehefa manam-pinoana?
oops, mampatsiaro ahy ny zavatra vao nandalovako ity lahatsoratra -njy ity .
zah koa lasa tsy be konetaka intsony :p
kourazy njy :-*
Ikalamako : isika rehetra :)
News2Dago : Tamin'ny alina aho nieritreritra hoe toa tsy natelin'ny tany hay moa i Neninay fa matory ambony vato fotsiny hi hi hi.
xxx : hi hi hi - lehibe aho zao, tsy toy ny tamin'ny 1998 :-P
Maintikely : Mankasitraka akia a !
Hery : Lool. No comment.
Kdaombaramita : mankasitraka e.
xxx2 : Kourazy koa njy ! Kourazy hatrany isika rehetra e :)
Misaotra antsika rehetra.
mahereza hatrany pissoa a!
(asa ra ho tafapetraka ity fa betsaka ny comment-ko ato @ pissoa no misy olana)
Mankasitraka tokinao a.
Hitako ilay hevitra tary amin'ilay tononkalo ka.
Misaotra anareo rehetra hatrany.
Pissoa
Anisany tsy hanoratako diary ny mamerina mamaky azy satria toa miaina indray ny lasa ny tena!
Na nodimandry aza ny nahitana masoandro, mitoetra ao am-po foana izy, sa tsy izany?
Hi hi hi - nefa isan'ny hanoratako diary mihitsy ny mba hamaky azy indray. Tsy voatery hoe hiainana ilay izy rehefa vakiana. Indraindray aho makany ny zavatra voarakitra sasany dia mieritreritra hoe ndandra koa izaho ity ka ... zany ve nama dia mba rezonma :-P
Mankasitraka Lalasoa a. Marina mihitsy izany.
izaho zao eto jobour , aiza no mety ahafana mahazo ny contact nao,
ny ahy randry07@gmail.com
Manahoana
Nandefasako email ianao teo fa toa tsy lasa diso ilay adriresy email navelanao.
Manorata @ pissoa@serasera.org raha ohatra :-)
Pissoa