Misy Fefy
Published on 08/05,2008
Tononkalon'i Toetra Raja.
Nankafiziko, ka antenaiko hahafinaritra anao koa :)
Misy fefy
Misy fefy
Tsy mazava
Fa mandrava
Izay tomefy
Ao anaty
Tsy mba maty
Tsy tadidy
Nefa kosa
Miavosa
Fa mihidy
Manafay
Indraindray.
Ny fitiavana
No simba
Voazimba
Misy havana
Akaiky
Moa miaiky,
Tadidio
Indro ambara
Heno tsara
NY HAMBO IO
No tena fefy
Tsy mba lefy !
Toetra Raja
25 Aprily 2008
Tena marina Pissoa a! Io hambo io tsy ahavitan-javatra io!
milay sady mafonja.
ohatry ny hoe miresaka amiko ilay mpanoratra
misaotra pissoa a! misy hosaintsainina :)
Raha momba ny hambo indray,
dia hoy izay olona izay:
Beware when your pride is high,
'cause at the end it'll make you sigh.
Odry !
roa kely toa anjely
Atonina
miavona manaavo
Tomany
no avaly raha voadona
Jerena
mievona mipitika
Boribory
no omeny raha voadio
Hay aina no setrainy
Io lavak’orona io
Kdômbitah