« Mialoha | Manaraka»

03.11.09

Lahatsoratra tsy misy lohateny

Posted in Ankapobeny | 18:26

Hmmm, te hiblaogy be aho izany. Te hanoratra.

 

Recap of my last x months.

  1. Nisy fotoana tena nankaloiloy be ahy daholo ny tononkalo novakiako. Na ireo tononkalo nomeko "isa 5" sy famerimberiko vakiana aza satria tena nankafiziko tokoa. Tsy haiko ny antony. Ny hany haiko dia efa nisinda iny fotoana ratsy iny, ary miverina indray ny famakiana tononkalo isanandro. Yaaayyyy.
  2. Nanao Ramadan aho tamin'ity taona ity. (Valin'io fanontaniana mihalohalo ao an-dohanao io sahady : Tsia ka, tsy Silamo aho, ary tsy mbola nieritreritra ny ho Silamo.) Tiako ho fantatra fotsiny hoe ahoana izany tsy misakafo mandritra ny andro. Ilay amin'ny hariva iny ihany aho no misakafo fa kamo be hifoha amin'ny dimy maraina hi hi. Mbola tanora ihany hay aho ity. Mbola nandresy olona tamin'ny Ping aho amin'ny andro amin'ny 5 sy sasany hariva tamin'ny Ramadan. (Mba mahay Ping ve aloha ilay olona resiko e ? Hmmm)
  3. Non, je ne suis jamais seule avec ma solitude. Isan'ny hira tiako indrindra vaovao ilay "Ma Solitude" an'i Georges Moustaki.
  4. Nandeha nijery Star Treck sy Ice Age aho dia bon ... Miracle mon ami, tsy dia tena nahasosotra ahy ilay izy.
  5. Oh yeah ...Mahay manamboatra sushi aho izao. Dia lemon cake. Mba misy inspiraka rehefa mahandro sakafo.
  6. Mampihomehy be ahy foana ny manodidina ahy rehefa miresaka Politika lol. Na samy mitovy hevitra daholo dia toy ny samy manao ilay Amen, Aleloia ampianarin'i Simp atsy ambadika fotsiny. Na tsy mitovy hevitra dia samy be tabataba fotsiny fa toa tsy mifampihaino akory. Hifampihaino hanao inona koa nefa moa e ?
  7. Aaarrrghh. Efa lasa 25 taona indray aho izao. (Yawning) !!!
  8. Nanao hiking im-betsaka tsara. (Tsy eo amin'ny sary aho ---)
  9. Par elle j'ai autant appris que j'ai verse des larmes.
  10. Nivoaka ilay Crazy Love an'i Michael Buble. Somary diso fanantenana ihany aho tamin'ilay izy ... fa misy hira (Hmmm, maro/13) tiako be koa tao mazava ho azy.
  11. Fizika,Fizika, Fizika.
  12. Nilomano im-betsaka na dia tsy nahay aza lol. Dofa.
  13. Narary vavony aho tamin'ny telovolana voalohan'ity taona ity. Izany angamba no vokatry ny fitiavana labiera be loatra (Ontso !!!). Fa efa sitrana izao :-P
Hmmm vitaaaaa hi hi. Ankoatra izay hadino.

8 Hevitra | "Lahatsoratra tsy misy lohateny" »

  1. ikalamako :

    04/11/2009, at 02:38 [ Valio ]

    autotag letia e ! alleluia !
    Tafaverina soa eto anivonay ary aloha e, kissssss
    Dia arahabaina koa fa manomboka manampy isa ny zokinjokinjatovo njy zany fa efa mankafy ny Ma solitude izay nankafeziko fony zaho t@ taonanao anaka, na talohaben'izany akory - hihihi

  2. hery :

    04/11/2009, at 11:49 [ Valio ]

    hery

    Tonga dia indray mipala zany :-)

  3. Kdaombaramita :

    04/11/2009, at 12:41 [ Valio ]

    Salut, dia efa ela loatra izahay niandry anao kosa ka ! Fa mbola eo kely ihany ilay dian'ny fahasorenana tao ho ao. Mpanjo ny rehetra io e, saingy ny mitraka ihany no atao fa mandeha foana ny fiainana ! BON ANNIF raha toa ka tato ho ato no feno 25 an ndry e !

  4. simp :

    04/11/2009, at 19:58 [ Valio ]

    dain
    za koa nirevy an'le ice age sy star treky...
    joincidence :)

  5. simp :

    04/11/2009, at 20:00 [ Valio ]

    dia izay indray ary aloha no masaka ee, afaka 5 volana indray oo
    bye bye sipakely miavonavona be :)

  6. pissoa :

    04/11/2009, at 20:19 [ Valio ]

    Ikalamako : Hi hi hi, misaotra e ! Aleo mba asiana autotag fa tssss, aiza dia lany andro manembona ny blogos eo foana fa tsy mba miblaogy mihitsy.

    Hery : Adin'ny kamo lol.

    Kdaombaramita : Lol. Misaotra indrindra e.

    Simp : Ilay Ice Age no tena tiko fa ilay Star Treck tiako ihany fa tsy dia tena hoe tiako be hi hi. Nijery an'ilay X Men iny koa aza aho dia ilay G Joe lol.
    Mety vetivety ihany dia tonga ny dimy volana ka lol.

  7. news2dago :

    04/11/2009, at 20:33 [ Valio ]

    te hisotro beks miaraka @ pissoa mht a zany marina moa!

    ary efa antitra ihany kay enao ity raha efa 25 taona monja hi hi hi

  8. pissoa :

    04/11/2009, at 20:35 [ Valio ]

    pissoa

    Hi hi hi, ndao hisotro kely e ! Touzours partante za raha vao resaka beks hi hi.

    Efa antitra e, hi hi.

Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage