04.11.09
Mihetseha ry Fireneko
Tononkalo ... efa ela (angamba ... tamin'ny 2008) izy ity no nosoratako saingy notahiriziko ho ahy irery. Asa angaha nahoana ?! Lozanao ry peniko hi hi hi. (Oops, mampihomehy angaha moa izany ? Hi hi hi)
Any i Madagasikarako
Efa taona firifiry no noezahina naranty
Taminao ny adim-poko sy karazana ady an-trano ?
Efa taona firifiry ny zanakao mifampihantsy ?
Fa tsy mbola vaky ny ady, mbola tsy hitany ny "angano".
Efa taona firifiry no nijoro ireo mpandrangitra
Na mpitondra, na mpanohitra, indreo fa samy lohalaharana ;
Efa taona firifiry no nifampidera hanitra
Fa tsy mbola vaky ny ady, mbola ao ireo "mpampihavana".
Efa taona firifiry, nanako ilay lakolosy
Tena nampalaza anao, ny fitandroana fihavanana !
Ka nahoana no amin'izao no hisy sahy hanosihosy
Irony soatoavina sy ny hasinao ry Tanindrazana ?
Mihetseha ianao ry fireneko, avondrony ny herinao
F'aza avelanao hahomby ny tati-dratsy mpampisaraka
Mitsangana, masahia, manohera dieny izao !
Sao ho tratra aorina loatra ka ra no sisa hipatrapatraka.
Pissoa





ikalamako :
05/11/2009, at 00:50 [ Valio ]
io ilay mahamalagasy antsika manko...tsy mihetsika (...raha tsy halohalika ny ranombary...mbola tsy halohalika zany angamba ?!!! 0_0)
mangamaso :
05/11/2009, at 04:45 [ Valio ]
Misaotra nijara Pissoa
Aza very fanantenana
Mbola misy ireo mijoro
Miady, mitolona na dia mangina
Tsy mandohalika akory i Dago
Fa miandry ilay maraina
maeva74 : Indrisy mantsy!
05/11/2009, at 10:36 [ Valio ]
Efa sasatry ny mivavaka ho an'izato Nosintsika nefa dia tsy hita izay mba vokany nefa tsy kivy fa mbola mitalaho amin'ilay Nahary ihany ny hitondra fitsaharana ho an'ny TANINDRAZANA
Misaotra an'i pissoa nizara e! Kanto ilay tonokalona
Toetra RAJA : Ny poeta sy ny tanindrazana
06/11/2009, at 23:35 [ Valio ]
Manana adidy sy teny lazaina ny poeta amin'izao fotoan-tsarotra iainan'ny firenena izao. Anisan'izany ianao ry Pissoa. Misaotra.
rado : fankasitrahana!
08/11/2009, at 15:15 [ Valio ]
aingam-panahy tsara loatra nohezahina navoka,mba ho tonga hery fiandrandraina ho anireo malaina!tsara fa tohizo !
Kdaombaramita :
09/11/2009, at 12:00 [ Valio ]
Hay, tena favy be tokoa izany klé ! Milay e !