11.11.09
Poeta Webs
Ny poeta raha miteny
Dia milaza izay mba reny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Ankoatra ireo tranokala mety efa mahazatra anao, dia tafajoro ny tranonkala "POETA MALAGASY" entina mampifandray ny poeta sy
ireo mpakafy ny poezia malagasy. Ny varavarana dia mivoha ho anao ao
amin'ny adiresy http://poeta.webs.com/ 1.html.
Hibahana ao, mazava loatra, ireo takelaky ny tononkalo
notsongaina. Tsy ho mosarena vaovao ireo mpitsidika satria hahafantatra
ireo fampisehoana an-tsehatra mitranga. Tsy ho diso anjara ny filazana
ny mombamomba ny fikambanan'ny poeta. Ary inoana fa hahaliana anao
tokoa ny "tapatapak'ahitra" ifanaovana amin'ny poeta malagasy. Efa
nandalo tao ohatra i Fredy Jaofera, Ny Eja, DadaRabe, Pissoa, Thina
Andriafaly, Tahirintsoa, Zo-Maminirina, Manatsiala, Niravo, Malalason,
Hajaina. Samy manana ny lalana nodiaviny avy ireo poeta ireo ary tena
mahaliana tokoa ny resadresaka nifanaovana tao. Samy efa nametraka
tononkalo tao koa izy ireo izay natevenin'i Toetra Raja sy Rô
Andriamaneva. Manetsa be mbola ho avy satria mbola hasaina
hitapatapak'ahitra ao koa ny antokon'olona samihafa izay tsy voatery ho
poeta ihany. Tokana ny marimaritra iraisana : fitiavana ny poezia sy ny
haisoratra malagasy.
Raisina an-tanan-droa ireo mikasa
hitapatapak'ahitra, hizara tononkalo, hanambara vaovaon-tsehatra sy
samihafa, hampiely lahatsoratra. "Ataovy toy ny landy re ka an-trano
vao manatevina", ka amin'izay isika mba ho sahy hanambara fa "ny be no
avy, ny kely mialoha lalana".
… niakatra ny jiro ?
piho dia matoria,
ny lambanao idiro …
Ny adin-tsaina avela ho lafi-parafara.
piho dia matoria,
ny lambanao idiro …
Ny adin-tsaina avela ho lafi-parafara.
(Mpanoratra : Tsy i Pissoa)





ikalamako :
11/11/2009, at 14:02 [ Valio ]
… niakatra ny jiro ?
piho dia matoria,
ny lambanao idiro …
Ny adin-tsaina avela ho lafi-parafara.
reveko beuhhhhh !
news2dago :
11/11/2009, at 15:24 [ Valio ]
lol
… niakatra ny jiro ?
piho dia matoria,
ny lambanao idiro …
Ny adin-tsaina avela ho lafi-parafara.
de inona ny tohiny kay? nahita tory ve le poeta sa avy dia gly tao
news2dago :
11/11/2009, at 15:28 [ Valio ]
tsetsatsetra tsy aritra!
hitako tao @ le varavarana ny poeta
le sipa miavonavona be ... tia labiera
lol
Toetra RAJA : Tahirintsoa
11/11/2009, at 15:53 [ Valio ]
Misaotra indrindra ry Pissoa. Tononkalon'i Tahirintsoa io "... niakatra ny jiro" io, izay hita ao amin'ny :
http://poeta.webs.com/tono_tahirintsoa.html
=> Adin-tsaina ateraky ny adim-piainana no fonosiny ao anatin'io vidin-jiro miakatra io.
simp :
11/11/2009, at 16:11 [ Valio ]
mampatsiaro an'le hoe:
areheto ny jiro
ny akanjonao ampidiro
aoka izay safosafo
ndrao dia ho vidiana lafo
...
^:^
Kdaombaramita :
11/11/2009, at 16:57 [ Valio ]
Niakatra ny jiro
Mamono ny delestazy
Mihaodihaody ny jio,
Ka ambano @ basy !
.... :)
pissoa :
11/11/2009, at 17:55 [ Valio ]
Ary ny an'ireto ilay jiro vonoina daholo no tonga dia manaitra azy leity e ! Tssssss.
fahamarinana :
11/11/2009, at 19:14 [ Valio ]
hihihi !za koa gaga fa iulay jiro no tena lasa resaka ! :-)
Misaotra nizara pissoa a,ndeha tsidihana kely aloha !
simp :
11/11/2009, at 20:10 [ Valio ]
zay efa mandrehitra jiro fa pissoa koa tsy mahita tsara
tsofiko eo ny laboziako an :)
joyeux non anniversaire simp ^:^
:b:b:b
news2dago :
12/11/2009, at 10:41 [ Valio ]
hafa ihany anie le jiro e!
Kdaombaramita :
13/11/2009, at 20:45 [ Valio ]
Hay ve io ilay sipa miavonavona beuuuh, mmmhhh !
mangamaso :
14/11/2009, at 04:08 [ Valio ]
Misaotra Pissoa nijara :)mangamaso :
14/11/2009, at 04:08 [ Valio ]
Misaotra Pissoa nijara :)Tritriva :
14/11/2009, at 04:10 [ Valio ]
Misaotra Pissoa nijara
Tsikisariaka :
16/11/2009, at 07:47 [ Valio ]
Misaotra ry Pissoa fa ilaina ny fivoizana toy izao hanandratana ny haisoratra malagasy !
Thina