« Mialoha | Manaraka»

16.12.09

Toratoraka alohan'ny farany

Posted in Ankapobeny | 15:15

Oouf ! Efa natahotra mihitsy aho hoe tsy hahatoraka blaogy intsony amin'ity taona ity. Toa ho vita ihany kay izy ity.

 

Aleo mirary soa anareo rehetra dieny ety am-panombohany. Manaova fety milay daholo, na amin'ny Krismasy na amin'ny taona voavao. Fahombiazana hatrany no irariana ho an'ny tsirairay arakaraka ny lafiny tiany hivoarana avy.

 

Aleo iny atao aloha fa sao dia tsy vita eo, sao kamo be tampoka dia tonga dia atao ilay hoe "Alefaso!" etsy ambany hi hi.

 

Cours atrehina : Adiny 4. Feuilles tsaraina : 29 X 3. Misc : Maromaro ihany. Ireo sisa dia tonga ny fialan-tsasatra ho ahy. Yaayyy. Hatraizay noheveriko foana fa ny mijanona ao amin'ny tontolo akademika no milay indrindra rehefa miasa. Mba indraindray ihany no manenjika ora ohatra ! Ny fialan-tsasatra misy matetika ! Ny olona hiresahana mba miovaova, farafahakeliny in-1 isan-taona lol ! Ny fotoana hijanonana an-trano maromaro ihany, afaka manao sushi indraindray, nefa tsy dia mila manenjikenjika be loatra. Pffff, lainga be (Vakio hoe : Diso hevitra kay aho.)

 

Iny aza fa mitaky ny hakamoana lol. Rehefa mazotoa tohizako.

5 Hevitra | "Toratoraka alohan'ny farany" »

  1. simp :

    17/12/2009, at 00:40 [ Valio ]

    Ny tena marina ngamba dia hoe tsy misy zavatra mora izany ee. Na aiza na aiza alehanao...
    Na koa hoe: l'homme est un eternel insatisfait :)

    joyeux noel et bonne annee

    kiss dia ampy
    ;-)

  2. Hery :

    17/12/2009, at 12:39 [ Valio ]

    Izaho koa nieritreritra foana hoe ireny mpampianatra ireny zao no tena miadana. Surtout ilay vakansy isaky ny vakansy ny mpianatra.

    Diso DAHOLO ve ireo noeritreretin'i pissoa ireo?

  3. kdaombaramita :

    17/12/2009, at 14:38 [ Valio ]

    kdaombaramita

    Marina daholo ny eritreritrareo :)) fa dia manaova fety sambatra daholo ary hitondra fanambinana @ zavatra atao ny taona vaovao !

  4. ikalamako :

    18/12/2009, at 01:46 [ Valio ]

    bôny fety i pissoa fa @ fety kosa angamba tsy ho kamo ntsony e...ny asa ihany no mahakamo.

  5. mangamaso :

    19/12/2009, at 23:29 [ Valio ]

    Mirary fety sambatra ho anao koa Pissoa, ny taona vaovao anie hitondra zava-tsoa... :)

Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage