16.01.10
Lahatsoratra N 1/2010
Arahabaina tonga soa aty amin'ny 2010 e :)
Aleo mitoraka blao eto fa efa impiry aho izay no mivezivezy amin'ny cyber fa tsy mbola tonga ihany ny mailaka andrasako !
Na izany na tsy izany aza
- Teny Andohalo tamin'ny fandevenana an'i Mrg Razafindratandra aho omaly. Na dia 'fandevenana' aza no natrehiko dia tena ... hafa ihany hoa aty Madagasikara hi hi. Ny ooops dia be loatra ny olona, dia be loatra ny elo ! Raha natao hiarovan-tena amin'ny orana izy ireny, dia nivadika mpanangona ranon'orana hatondraka eo antampon-dohako omaly.
- Araraotiko mihitsy amin'izao fialan-tsasatra izao (ie, mbola anaty fialan-tsasatra tanteraka aho na dia efa mi-zanvier aza izao) hanampiana ny boky tononkalo ao amin'ny tahiriko. Resin'ny bokin'ny mpanoratra Malagasy amin'izay ny an'ireo mpanoratra vahiny satria efa nahazo :
- Traduit de la nuit (J. J. Rabearivelo)
- Vonikazo adaladala, Dinitra, Sedra (Rado)
- 'Hadinoko ny lohateny' (Samuel Ratany) - Misy tononkalo sy tsy tononkalo ;)
Yeap ! Mbola maro ihany ny boky heveriko hovidiana ato ho ato. (Amin'ny manaraka ny sary ... sy ny tonnonkalo favori :-P)
Aleo indray aloha hicheck mail kely ! Mazotoa daholo dia mirary ny soa hiraradraraka avy aminareo (ooops, amintsika) amin'ity taona 2010 ity eeee :-P





Hery :
16/01/2010, at 13:47 [ Valio ]
Mialona be izahay na dia fandevenana aza no tany.
Mampamangy amin'ny ao an-tanàna ao e.
Mandalondalova ao amin'ny Librairie Md Paoly ao sao misy zava-baovao :-)
Toetra RAJA : Boky tononkalo gasy
16/01/2010, at 14:53 [ Valio ]
Sambatra ianao ry Pissoa nahazo boky tononkalo gasy betsaka. Mazotoa ary mirary 2010 sambatra.
ikalamako :
17/01/2010, at 01:43 [ Valio ]
tsatsy ny taona ny mpanao vakansy e !
Ndryy ataovy zé mety ao akia miss dia mba avereno posta mankaty aminay ireo bokiko ireo rehefa vitanjy (afa-tsy sedra sy dinitra :P) dia omeko photocopie Ny Eja sy Lila Ratsifandrihamanana hihihi
Tattum :
17/01/2010, at 17:50 [ Valio ]
Tratra ny taona dia mazoto ary e!
ravaka :
20/01/2010, at 03:26 [ Valio ]
tratrin ny taona pissoa! sambatra nareo any dago eeeeeeeee!!!!!! zay manembonembona sisa aloha!
ary mitovy mihitsy ilay zavatra atao rehefa tonga any dago an! ny ahy hatramin ilay angano ho an ny ankizy ireny, nitondrako "Ny any aminay " koa ny zanako, .....
tsy hita fa rehefa lavitry ny maso vao mahataitaitra eee!!!
ikalamako > ataovy tody lavitra ilay photocopie, tpt,
Belle : Tandremo!
21/02/2010, at 15:06 [ Valio ]
O r'ireto a, fantaro fa: dika mitovy = piratage (amin'ny lafiny rehetra resaka zava-kanto tsy an-kanavaka).