Lahatsoratra N1 / 2012
pissoa | 09 Janoary, 2012 11:10Mbola tsy tara raha izao vao miarahaba eto amin'ny blaogy antsika rehetra nahatratra ny taona e ? Tratra ny taona eee ! Mirary ny soa indrindra ho antsika rehetra.
Resolution 2012: I will listen to my Nanny :P
Fantatrareo ve i Nanny, i Nanny Chrome ?
Ramatoa mpiambina zaza amin'ny internet izy io hi hi. Extension ao amin'ny Chrome no tena marina, dia tenenina an'i Nanny fotsiny hoe amin'ny 8h-12h maraina ary amin'ny 2h-5h hariva i Pissoa tsy mahazo mampiasa facebook, g+, youtube, google reader, etc ... dia tsy avelany. Tena manao ny asany tsara izy aloha e. Raha izao aho izao no mitady ho ao amin'ny facebook dia hoy i Nanny hoe :

Na dia somary "be moral" aza. Shouldn't you be working hono, tssss. Lasa miasa ho azy hi hi.
Ny tena mahafinaritra amin'i Nanny an, raha vao mitady hanova eo hoe mba aleo rangahy atao hatramin'ny 4 kosa fa tsy hatramin'ny 5 ilay tsy mahazo milalao aaa, dia asiany soratsoratra mandreraka be aloha. Avereno ampidirina hono ilay soratsoratra mandreraka be, ary tsy azo atao dika-petaka ilay izy an. Izaho indray no kamo dia aleo rangahy hijanona eo a, mba miandry amin'ny 5 vao milalao :P

Posted in
Ankapobeny .
Hametraka hevitra: (3).
Verindrohy (trackback):(0).
Rohy maharitra
«Next post |
Previous post»




1. Hery | 01/09,2012 at 14:07
Tsy hahafehy ahy io kle, mivadika firefox fotsiny dia poinsa lol
2. pissoa | 01/09,2012 at 18:39
Mila Nanny masiaka kokoa i Hery lol.
3. Kdaombaramita | 01/09,2012 at 20:13
copier-coller dia vita fa tsy mila manoratsoratra be fahatany toa an'i Nanny e, sa ahn ?